Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana mihamitombo

Daty
Alahady 19 May 2024

 "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitaky Azy." - Heb. 11:6.

Mofon'Aina:
Tonga ny fotoana tokony hiandrandrantsika fitahiana lehibe avy amin'i Jehôvah . Tsy maintsy mijoro amin'ny fenitra ambony kokoa mikasika ny finoana isika. Kely loatra ny finoantsika. Ny Tenin'Andriamanitra no andry ho antsika. Tsy maintsy raisintsika izany, tokony hinoantsika ny teny tsirairay voasoratra ao. Ny fisian'izany toky izany no ahafahantsika mitaky zavatra lehibe, ary ho tonga amintsika araka ny finoantsika izany. (...)

Lehibe lavitra noho izay heverintsika ny hevitry ny fiasan'ny finoana. Midika ho fianteherana tena izy amin'ny teny voalazan'Andriamanitra mazava izany. Tokony haseho amin'ny asa ataontsika ny finoantsika fa hanao araka izay nambarany tokoa Andriamanitra. Tsy natao hihemotra na hijanona tsy hihetsika tsy akory ny fiainan'ny zavaboary (...). Tsy maintsy mandroso isika, miasa amin'ny finoana — finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy amin'ny aloky ny fitiavan-tena rehetra. Tsy ny tenantsika no tokony hianteherantsika fa Andriamanitra. Aoka isika tsy hikolokolo tsy finoana. Tsy maintsy manana finoana izay mihazona an'Andriamanitra amin'ny teniny isika. (…)

Ny tena finoana marina dia miorina amin'ny fanaovana araka izay nasain'Andriamanitra atao fa tsy famoronan-javatra tsy nanomezany baiko tsy akory. Ny rariny, ny fahamarinana, ny famindrampo, ireo dia voan'ny finoana. Ilaintsika ny mandeha araka ny lalan'Andriamanitra; rehefa izay dia ho voan'ny finoantsika ny asa tsara (...). Tsy maintsy ho tsara aloha ny hazo vao hitondra voa tsara. Tsy maintsy manolo-tena amin'ny fahafenoany ho an'Andriamanitra isika. (...)

Endrey izany saha naseho teo anoloako! Tsy maintsy miasa lalina ao anatin' ireo vahoakantsika isan'andro ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy manana finoana izay miasa amin 'ny fitiavana izy ireo, finoana avy amin'Andriamanitra izany. (...) Rehefa miasa amin'ny fitiavana ny finoantsika, tahaka ny fitiavana izay nasehon'i Kristy teo amin'ny fiainany, dia ho mafy orina izany (...). Saingy tsy ho velona ao anatintsika i Kristy raha tsy maty aloha ny "izaho" (...). - TMK, t. 226. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal