Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny hasarobidin'ny vavaka mangina

Daty
Sabotsy 25 May 2024

"Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika." - Sal. 62:8.

Mofon'Aina:
Ny fahatsapana marina ny zavatra ilaintsika sy ny faniriana lalina ny zavatra angatahintsika no tokony hanamarika ny vavaka ataontsika, raha tsy izany dia tsy ho re izany. Aoka anefa isika tsy ho mora reraka ka hampitsahatra ny fangatahantsika noho ny tsy fandraisantsika valim-bavaka eo no ho eo. "(...) mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny." - Mat. 11:12. Ny fandrombahana an-keriny voalaza eto dia ilay hafanam-po masina, tahaka izay nasehon'i Jakoba. Tsy mila mampiezaka ny tenantsika hanana fihetseham-po lalina isika; fa amim-pahatoniana sy amim-paharetana no tokony hitondrantsika hatrany ny fangatahantsika eo amin'ny seza fandrianan'ny fahasoavana. Ny asantsika dia ny mampilefitra ny famahintsika eo anatrehan'Andriamanitra, miaiky ny fahotantsika, ary manakaiky an'Andriamanitra amim-pinoana. (...) Efa fikasan'Andriamanitra ny haneho ny tenany ao amin'ny fiarovany sy ny fahasoavany. Tsy maintsy ny voninahitr'Andriamanitra no tanjona kendren'ny vavaka ataontsika, fa tsy ny fitadiavana voninahitra ho an'ny tenantsika.

Nanome voninahitra antsika Andriamanitra tamin'ny nanehoany ny tombambidy lehibe anombanany antsika. Novidina tamin'ny sanda lafo tokoa isika, dia ny ra sarobidin'ilay Zanak'Andriamanitra izany. Rehefa manaraka an-tsitrapo ny Tenin'Andriamanitra ny Lovany, dia hitoetra amin'izy ireo ny Fitahiany ho setrin'ny vavaka ataony. "Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehôvah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin Jehôvah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin'ny loza." - Joe. 2:12,13.

Ao amin'ny mangingina no aoka hamborahana ny fo eo anoloan'ny mason'Andriamanitra mandinika antsika. (...) Endrey ny hasarobidin'ny vavaka mangina -ny firaisan'ny fanahy amin' Andriamanitra! Ny fivavahana mangina dia tsy tokony ho ren'iza na iza, afa-tsy ilay Andriamanitra Mpihaino vavaka ihany. Tsy misy sofina liam-baovao tokony handray ny vesatry ny fitarainana toy izany. (...) Izay mihazona ny firaisana amin'Andriamanitra amin'ny finoana tsotra dia hanangona tara-pahazavana masina mba hanatanjaka sy hanohana ny tenany amin'ny adiny amin'i Satana. - TMK, t. 272. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal