Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananantsika 

Daty
Alarobia 29 May 2024

"Kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao ary ny anankiray toy izao kosa." - 1 Kôr. 7:7.

Mofon'Aina:    
Mihoatra noho ny vola no omen'Andriamanitra ireo mpitantam-pananany. Fanomezam-pahasoavana ny fahaiza-mizara anananao. Inona no asehonao mikasika ireo fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, eo amin'ny teninao ary eo amin'ny firaisam-po feno halemem-panahy? (...) Talenta ny fahalalana ny fahamarinana. Fanahy maro ao anatin'ny haizina no mety hohazavain'ny teny feno fahamarinana sy fahatokiana ataonao. Fon'olona maro no mangetaheta firaisam-po sy efa ho faty lavitra an'Andriamanitra. Mety hanampy azy ireo ny fangorahanao. Ilain'ny Tompo ny teninao izay ampitenenan'ny Fanahiny Masina. (...)

Ny asa voalohany indrindra tokony hataon'ny Kristianina dia ny mandinika ny Soratra amim-bavaka mafana, mba hananan'izy ireo finoana miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy amin'ny asam-pitiavan-tena rehetra. Raha raisina ao am-po ny fahamarinana dia miasa tahaka ny lalivay tsara, mandra-pahatonga ny hery rehetra hilefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra. Amin'izay dia tsy maintsy hamirapiratra tahaka ny masoandro ianao. (...)

Tokony hohamasinina tahaka ny fanomezana sarobidy ny fanomezana avy amin'Andriamanitra rehetra. Tokony hatokana ho an'Andriamanitra ireny, mba hiasa ho an'ilay Tompo. Talenta ny tombontsoa ara-tsosialy rehetra. Tsy natao hanaovana izay mahafinaritra ny tena na ho fialam-boly sy ho fahafinaretana izany. (...) Zava-manan-danja tokoa ny fanomezam-pahasoavan'ny fanehoana modely tsara. (...)

Mampita fahalalana an'i Kristy ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana, ny fahalalana ary ny fangorahana sy ny fitiavana. Aoka ireo fanomezam-pahasoavana ireo hatokana ho an'Andriamanitra. Ilain'ny Tompo ireo, ary manao antso ny amin'ny hampiasana izany Izy. Tokony handray anjara ny rehetra amin'ny fanomanana ny fanahiny ary koa amin'ny fanomanana ny hafa mba hanolotra ny talentany ho an'Andriamanitra. Aoka ho vonona hampiasaina ho an'Andriamanitra ny fanahy sy ny fanomezam-pahasoavana tsirairay. Tokony hiara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny asa famonjem-panahy ny rehetra.

Omen'Andriamanitra anao ny talenta mba hahatonga anao ho mpiara-miasa mahomby amin'i Kristy. Fon'olona maro no mangetaheta firaisam-po, ary mila fatratra ny fanampiana sy ny fanohanana izay nomen'Andriamanitra anao mba homena azy ireo. - TMK, t. 327. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal