Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hahita ny tavany isika

Daty
Zoma 31 May 2024

"Hahita ny tavany [izy ireo], ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - Apôk . 22:4.

Mofon’Aina :
Tsy hitantsika ankehitriny ny voninahitr'Andriamanitra, kanefa ny fandraisantsika Azy ankehitriny no hahafahantsika tsikelikely hahita Azy mivantana. Asain'Andriamanitra mibanjina Azy isika, mba tsy hifantohantsika amin'ireo zavatr'ity tany ity. Tsy manam-potoana isika hanemorana ny fiomanana izay manomana antsika amin'ny fanatrehana ny tavan'Andriamanitra. (...)

Amin'ny fibanjinana an'i Jesôsy ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra sy ny fanarahana ny dian-tongony ihany no hahafahanao miomana hihaona amin'Andriamanitra. Manaraha Azy dia handeha eo amin'ny lalana volamenan'ilay tananan'Andriamanitra ianao. Hahita Hay namela ny fitafiana maha-mpanjaka Azy sy ny satroboninahiny ianao, Ilay nitafy ny maha-olombelona sy tonga teto amin'ny tontolontsika ary nitondra ny otantsika, mba hanandratana antsika sy hanehoana amintsika ny Voninahiny sy ny Fiandrianany. Hahita Azy mivantana isika raha manaiky hovany sy hovolavolainy ary homaniny ho amin'ilay fitoerana any amin'ny fanjakan' Andri

Natolony an'Andriamanitra ny fisainan'izy ireo teto amin' ity tontolo ity, nanompo Azy tamin'ny fony sy ny fisainany izy, ary izao dia hataon'Andriamanitra eo amin'ny handrin'izy ireo ny Anarany. "Ary tsy hisy alina intsony; (...) fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy." - Apôk . 22:5. Tsy miditra ao tahaka ny mpangataka fitoerana izy ireo satria izao no holazain'i Kristy aminy: "Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandova nyfanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao"- Mat. 25:34. Raisiny ho zanany izy ireo ka ilazany hoe: "midira amin'ny fifalian'ny Tomponao." Apetraka eo amin'ny handrin'ireo mpandresy ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana. Mandray ny satroboninahiny izy ireo ary manipy izany ho eo an-tongotr'i Jesôsy, mitendry ny lokanga volamenany izy ary mameno ny lanitra amin'ny feon-kira kanto ho fiderana Ilay Zanak'ondry. Rehefa izay dia "hahita ny tavany [izy ireo], ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - TMK, t. 364. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal