Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITOERANA MASINA SY NY LALANA

Daty
Alahady 26 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:19, Eks. 25:16, Eks. 31:18, ary ny Apôk. 12:17. lnona no lazain'ireo andininy ireo fa tao anatin'ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny Fitoerana Masina?

Andro fitsarana ny andro fanavotana. Nodidiana ny lsiraelita rehetra handray anjara amin'izany hetsika izany amin'ny fibebahana sy ny fandinihana ny fo ary amin'ny fitsaharana amin'ny asa rehetra (jereo ny Lev. 23:29-31). Amin'io andro io ihany no idiran'ny mpisoronabe ao amin'ny efitra masina indrindra mba hanao fanavotana noho ny ota. Tao amin'ny faritra anatiny indrindra amin'ny Fitoerana Masina no nisy ny fiaran'ny fanekena. Tao anatin'io fiara io no nisy ny didy folon'Andriamanitra, voasoratra tamin'ny vato fisaka. Nantsoina hoe rakotra fanaovam-panavotana ny rakotr'ilay fiara izay vita amin'ny volamena, teo no namafazana ny ra mba hanadiovana ny Fitoerana Masina amin'ny fahotana. Niseho tao amin'ny voninahitry ny Shekinah teo ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana ny fanatrehan'Andriannanitra. Ny sorona rehetra natao dia naneho ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny olombelona mpanota rehetra, ary ny andro fanavotana kosa dia maneho fa hotsaroana mandra-pahatonga ny andro fitsarana ny fahotana (Heb. 10:3) ary tsy ho voaisotra tanteraka izany raha tsy amin'ny alalan'ny finoana ny ran'i Kristy izay manadio ny fahotana (1 Pet. 1:18,19). Eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao no ikambanan'ny famindram-po sy ny rariny.

Raha nijery ny Fitoerana Masina any an-danitra i Jaona apôstôly dia nahita "ny tempolin'Andriamanitra novohana" sy ny "fiaran'ny fanekeny' (Apôk. 11:19). Izao no anampian’ny Hery Mifanandrina izany famakafakana izany: "Ao amin'ny efitra masina indrindra any amin'ny fitoerana masina any an-danitra, no iraketana amim-pahamasinana ny lalàn'Andriamanitra — dia ilay lalàna  izay notononin'Andriamanitra mihitsy tao anivon'ny kotro-baratra tao Sinay ary nosoratany tamin'ny rantsan-tanany teo amin'ny vato fisaka. Ny lalan'Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra no ilay tena izy marina, fa kopian'izany tsy misy diso kosa ireo didy voasoratra teo amin'ny vato fisaka sy noraketin'i Mosesy tao amin'ny boky nosoratany. Ny olona izay nahazo fahalalana ny amin’io zava-dehibe io dia voatarika hahita ny toetry ny lalàn'Andriamanitra izay masina sady tsy miova." – HM, t. 448.

Raha nandalina ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny Fitoerana Masina ireo mpino Advantista voalohany dia nahita ny maha-zava-dehibe ny lalàn'Andriamanitra sy ny Sabata eo anivon'ny lalàn'Andriamanitra. Noheveriny fa raha naseho tao amin'ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra ny lalàn'Andriamanitra dia azo antoka fa tsy nofoanana teo amin'ny hazo fijaliana izany.

Saintsaino ny amin'ny Sabata izay, tonga eo amintsika isaky ny herinandro amin'ny hafainganam-pandeha mihoatra ny arivo kilometatra isan'ora, ary misy tsy tapaka izany. Inona no ampianarin'izany antsika ny amin'ny maha-zava-dehibe ny foto-pinoana momba ny famoronana?' Inona koa ny foto-pinoana ahitana fampahatsiahivana miezinezina sy miverimberina toy izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal