Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAFATESANA AO AMIN'NY TESTAMENTA VAOVAO

Daty
Talata 04 June 2024

Vakio ny Jao. 11:11-14, 21-25; 2 Tim. 1:10; 1 Kôr. 15:51-54; sy ny 1 Tes. 4:15-17. Ahoana ny fanoritsoritan'ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao ny fahafatesana raha mitaha amin'ny an'ny Testamenta Taloha?

Samy mampiasa ny torimaso ho tandindon'ny fahafatesana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. In-53 farafahakeliny no ampitoviana ny teny hoe "torimaso" amin'ny fahafatesana ao amin'ny Baiboly. Ny mpanoratra ny Baiboly dia manaiky fa tsy misy fahatsiarovan-tena ao anatin'ny fanahy tsy mety maty izay mandao ny vatana aorian'ny fahafatesana.

Milaza hevitra fanampiny izay efa nolazaina tao amin'ny Testamenta Taloha ny Testamenta Vaovao: ny fitsanganana amin'ny maty be voninahitra amin'ny fiavian'i Kristy.

Ireo bokin'ny Filazantsara dia manasongadina fa ao amin'i Kristy irery ihany no misy fiainana mandrakizay. Tsy azon'ny demonian'ny helo rehetra atao ny handrombaka eo amin'ny mpino ny toky ananan'izy ireo mikasika ny fiainana mandrakizay. Nandresy ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy. Tsy afaka mihazona ireo nalavony intsony ny fasana. Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no antoka fa ny mpino rehetra dia hitsangana amin'ny maty indray andro any rehefa ho avy Izy.

Jereo ity tenin'i Paoly ity: "Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo; dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy." - 1 Kôr. 15:16-18. Ahoana no ahafahana manome heviny ireo andininy ireo raha efa any amin'ny fahasambaran'ny lanitra ny maty amin'ny fotoana ahafatesany? Inona no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe "very" raha toa izy ireo efa any an-danitra?

Mifanohitra amin'izany, dia izao no tian'i Paoly hambara: ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fototry ny fitsanganantsika amin'ny maty ary raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty dia "foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo", ary mijanona ao amin'ny tany ny maty ka very.

Mifanaraka tanteraka amin'ny andinin-tSoratra Masina hafa momba ny fanantenana ananantsika ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty amin'ny fiavian'i Jesôsy ireo andininy ireo rehefa mandray "ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo" isika (1 Pet. 1:4). Raha toa efa any an-danitra tokoa ny maty, nahoana ary i Petera no miresaka ny amin'ny lova "voatahiry any an-danitra" ho antsika? Mazava fa niandry fatratra ny fiavian'i Kristy sy ny fitsanganana amin'ny maty ireo mpino tao amin'ny Testamenta Vaovao, ary izany fanantenana izany no nanentana azy ireo ho mahatoky tamin'ireo fizahan-toetra teo amin'ny fiainana.

Nahoana ny fitsanganana amin'ny maty no fanantenana miezinezina tokoa ho an'ny finoana kristianina? Inona no hitranga raha teo ny hazo fijaliana kanefa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty? Inona ny fanantenana hananantsika? Nahoana ary ny fitsanganana amin'ny maty no singa iray manan-danja tokoa ho an'ny finoantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal