Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hanameloka fa hamonjy

Daty
Alahady 02 June 2024

  "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." — Jao. 3:17. 

Mofon'aina:
Misy ireo fanahy izay mangovitra ao anatin'ny fisalasalana, mametra-panontaniana hoe: "Ahoana no ahafantarako fa vita fihavanana amin'Andriamanitra marina aho? Ahoana no ahazoako antoka fa tena tia ahy sy namela ny heloko marina Izy?" Tsy anjaranao ry zandry malala ny manao izay hahamarina anao eo anatrehan'Andriamanitra. Manasa anao i Jesôsy hanatona Azy miaraka amin'izao enta-mavesatrao sy olonao rehetra izao (...) Raiso ny teny fikasana sy ny fanampiana efa nomen'Andriamanitra (...) Aza mijery ny tenanao fa jereo i Jesôsy; ao amin'i Kristy mantsy no isehoan'ny toetran'ny Ray.

 Ny ran'i Kristy mahavonjy no hany fanantenantsika; amin'ny alalan'ny fahamendrehany irery ihany mantsy no ahazoantsika famelan-keloka sy fiadanana.

 Mitombo ny finoantsika sy ny fitiavantsika satria raha ny fahitana ny toetran'Andriamanitra ao amin'i Kristy dia manana Ray be famindrampo sy feno antra isika (...)

 Tokony ho voakasiky ny herin'i Kristy mitondra fiainana ny hevitrao sy ny fisainanao, mba hisy fahatsarana sy fahamarinana mitoetra ao. Misy fahamarinana lehibe sy sarobidy ilainao banjinina mba hahamafy orina ny finoanao sy hanananao fahalalana marina an'Andriamanitra. Ô raha mba fantatr'ireo izay feno tsy firaihana sy tsy mifototra tsara amin'ny fikatsahana ny fahamarinana mantsy, fa na toy inona na toy inona fahendren'izao tontolo izao dia tsy mahalala an'Andriamanitra izy. 

Tsara ny mianatra araka izay azo atao ny zavatra rehetra avy amin'ny zavaboary, saingy aoka tsy hohadinoina ny mitodika any amin'i Kristy avy eo mba hahafantarantsika amin'ny fahafenoany ny toetran'Ilay Andriamanitra velona. Hitombo amin'ny fahalalana ny toetrany ianao amin'ny fibanjinanao an'i Kristy sy ny fiezahanao hanahaka Azy, ka hanjary ambony sy madio ary mendrika ny sainao sy ny fonao. Aoka ny tanora hikendry avo, tsy hiankina amin'ny fahendren'olombelona (...) 

Hitoby manodidina izay miantehitra mandrakariva amin'Andriamanitra ka matoky sy mivavaka Aminy amin'ny fo tsotra ny anjelin'ny lanitra (...)

Izay miaina amim-pinoana an'i Kristy dia hahazo hery sy hasandratra, ho afaka hiady ny ady tsaran'ny finoana, ary hahazo ny fiainana mandrakizay. — HP, t. 16. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal