Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny olona sambatra indrindra

Daty
Alarobia 05 June 2024

 "Hampahafantatra ahy ny làlan'aina Hianao; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay. " - Sal. 16:11. 

 Mofon'Aina
Aza mihevitra fa rehefa miaraka amin'i Jesôsy ianao dia tsy maintsy ho maloka ny dianao. Ireo izay matoky an'i Jesôsy sy mankato amim-pifaliana ny baikony no olona sambatra indrindra eto an-tany. Lavitry ny fiainan'izay manaraka Azy ny savorovoro sy ny fahasorenana. (...) Mety ho tojo fitsapana sy zava-tsarotra izy ireo, saingy feno fifaliana ny fiainany satria miaraka aminy eo anilany i Kristy, ary ny fanatrehany no manazava ny lalany (...).

 Fenoy fiderana an'Andriamanitra eo am-bavanao raha vao mifoha maraina, ary raha mivoaka ny trano ianao dia mivavaka hahazoanao ny fanampian'Andriamanitra (...) Afantohy amin'ny Mpamonjy ny sainao. Mialà amin'ny rotoroton' izao tontolo izao ka mitoera eo ambanin'ny alok'i Kristy. (...) Hihavao ny herinao. Tena ilaintsika tokoa ny mipetraka mba hisaintsaina ny fomba nidinan'ny Mpamonjy avy any an-danitra, avy eo amin'ny seza fiandrianany, mba hampiseho amin'ny olombelona ny zava-dehibe mety ho vitany raha manaiky hanakambana ny fahalemeny amin'ny heriny izy ireo. Rehefa nahazo hery vaovao avy amin'ny firaisana amin'Andriamanitra isika dia afaka mandroso amim-pifaliana, sady midera Azy noho ny tombontsoa ahafahantsika mitondra ny fahazavan'i Kristy eo amin'ny fiainan'izay rehetra mifanerasera amintsika.

 (...) Ny tafiky ny lanitra dia maniry hiara-miasa amin'ny olombelona, hahazoany maneho amin'izao tontolo izao izay mety ho toetran'ny olombelona rehefa miray amin'Andriamanitra ny maha-olombelona. Ireo izay manokana ny tenany sy ny fanahiny ary ny sainy ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra dia hohavaozina mandrakariva ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy. (...) Miasa amin'ny heriny rehetra ny Fanahy Masina eo amin'ny saina sy ny fo. Noho ny fahalemen-toetra sy ny tsy finoantsika dia mety hihevitra isika fa tsy mety ho azo ny fandresena, kanefa noho ny fahasoavana dia afaka mandresy isika.

 Na iza na iza manolo-tena hanompo ny Tompo, ka mahafoy ny zavatra rehetra, dia omena hery hahatrarany fahombiazana tsy hita fetra. — HP, t. 62. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal