Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ohatra ho antsika amin'ny fankatoavana

Daty
Alarobia 12 June 2024

"Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; 'Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. - 1 Pet. 2:21,22. 

Mofon'aina:
Mazava eo anatrehantsika ny tombontsoa mahagagan'ny fahafahantsika ho tonga tahaka an'i Kristy — mpankatò ny foto-kevitra rehetra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra. Kanefa raha ny herin'ny tenantsika ihany dia tsy ho vitantsika velively ny ho tonga tahaka Azy. Avy amin'i Kristy avokoa izay tsara rehetra ao amin'ny olona. Ny fahamasinana lazain'ny Soratra Masina fa tsy maintsy ananantsika mba hahazoana mamonjy antsika dia vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny fifehezan'ny herin'ny Fanahin'ny fahamarinana isika.

Tsy mety ho tanteraka ny fankatoavan'ny olona raha tsy amin'ny alalan'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy, izay mahatonga ny asam-pankatoavana marina rehetra ho feno hanitra masina. Ny anjaran'ny Kristianina dia ny mitozo amin'ny fialana amin'ny ota tsirairay. Mila mivavaka mandrakariva amin'ny Mpamonjy izy mba hanasitrana ny fanahiny marary. Tsy manana fahendrena sy hery handresena izy fa ny Tompo no manana, ary omeny izay rehetra mangata-bonjy Aminy amim-panetren-tena sy fo torotoro izany.

Asa maharitra sy mitohy ny fanovana ny tsy masina ho masina. Miasa isan'andro ho fanamasinana ny olona Andriamanitra, ary ny olona kosa mila miara-miasa Aminy amin'ny fanaovana ezaka amim-paharetana, amin'ny fikolokoloana fahazarana tsara.

 Mihoatra noho izay faniriany ambony indrindra no omen'Andriamanitra izay matoky Azy. Tiany ho fantatsika fa rehefa manetry tena sy torotoro fo isika dia eo indrindra Izy no afaka maneho ny Tenany amintsika. Mahafaly Azy ny fitanisantsika ny famindrampony sy ny fitahiany tamin'ny lasa ho antony tokony handrotsahany fitahiana lehibe kokoa amintsika. Omem-boninahitra Izy rehefa tia Azy isika ka manambara ny fitiavantsika Azy marina amin'ny alalan' ny fitandremantsika ny didiny. Omem-boninahitra izy rehefa atokantsika ho masina ny andro fahafito. Ho an'izay manao izany, (...) hoy Andriamanitra, ny Sabata dia "ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehôvah no manamasina azy." — Ezek. 20:12. Ny atao hoe fanamasinana dia fahazarana mifandray amin'Andriamanitra. Tsy misy zava-dehibe sy mahery toy ny fitiavan'Andriamanitra ny zanany. — HP, t. 129. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal