Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, mameno ny fisainantsika manontolo 

Daty
Zoma 14 June 2024

"Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro. Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin'ny làlana mandrakizay aho." - Sal. 139:23,24. 

Mofon'aina:
Vitsy ihany no mahatsapa fa adidiny ny mifehy ny fisainana sy ny fieritreretana. Sarotra ny mihazona ny saina tsy voataiza hifantoka amin-javatra mahasoa. Rehefa tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy anefa ny eritreritra, dia tsy ho afaka hiaina ao amin'ny fanahy ny fivavahana. Tsy maintsy ampiasaina amin'ny zavatra masina sy maharitra mandrakizay ny saina, fa raha tsy izany izy dia hankafy ireo eritreritra manidina sy haitraitra fotsiny. Tsy maintsy tezaina ireo herin'ny saina sy ireo hery ara-pitondran-tena, ka ny fanazarana azy no hanatanjaka sy hanatsara azy.

Mba hahatakarantsika tsara izany lohahevitra izany, dia aoka tsy hohadinointsika fa ny fontsika dia manana fironana ratsy, ary tsy haintsika, raha isika samirery, ny manaraka ny lala-marina. Ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany, akambana amin'ny ezaka tsara indrindra vitantsika, no ahafahana mahazo ny fandresena. Samy tsy maintsy atokana ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra na ny saina na ny fo. (...)

Vitsy ihany no mino fa tena latsaka ambany tokoa ny olombelona ary tena ratsy tanteraka ka manohitra an'Andriamanitra. (...) Rehefa tsy fehezin'ny Fanahin'Andriamanitra mivantana ny fanahintsika dia volavolain'i Satana ho araka izay tiany. Ny saina rehetra eo ambany vahohony dia ovany ho ara-nofo; manohitra mivantana an'Andriamanitra izy amin'ny fironany, ny heviny, (...) ny safidiny sy ny asany. Izay zavatra tian'Andriamanitra sy ankasitrahany, tsy tiany, fa izay halan'Andriamanitra no ahitany fahafinaretana (...).

Raha mitoetra ao am-po i Kristy, dia hameno ny fisainantsika manontolo Izy. Izy sy ny fitiavany ary ny fahadiovany no hosaintsainintsika lalina. (...) Hifantoka amin'i Jesôsy ny fitiavantsika. Izy no ho fanantenantsika sy handrandraintsika amin'ny zavatra rehetra. Ny mivelona amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra eto amin'ity fiainana ity, ny manantena sy tia ny fisehoany, no ho fifalian'ny fanahy ambony indrindra. (...)

Ireo izay nanazatra ny sainy hiravoravo amin'ny zava-panahy no ho azo afindra any an-danitra ka tsy hahafaty azy ny fahadiovana sy ny halehiben'ny voninahitry ny lanitra. —HP, t. 163. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal