Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny antson'ny adidy

Daty
Alarobia 19 June 2024

 "Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao." - Mpitt. 9:10. 

Mofon’aina:
Ny antson'ny adidy dia feon'Andriamanitra — mpitari-dalana voajanahary, nirahin'ny lanitra. Tsy maintsy manatanteraka ny adidy manoloana antsika mivantana isika, na mahafinaritra izany na tsia. Raha tian 'Andriamanitra hitondra hafatra any Ninive isika dia tsy ho faly Izy raha any Jopa na any Kapernaomy indray no alehantsika. Misy antony matoa Andriamanitra maniraka antsika any amin'ny toerana izay itarihany ny tongotsika (...).

 Ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanimboaloboka, ny tsirambina madinidinika, ny fahalemena kely, ny tsy fahatokiana kely, ny fihatahana kely amin'ny fitsipika, ireo no manajamba ny fanahy sy manasaraka azy amin'Andriamanitra.

Ireo zava-madinika eo amin'ny fiainana no mamolavola ny toe-tsaina sy mamaritra ny toetra. Izay manao tsirambina amin'ny zava-madinika dia tsy ho vonona hiaritra ny fizahan-toetra mahamay rehefa tonga aminy izany. Aza hadinoina fa mandritra ny androm-piainana no anorenana ny toetra, toy ny trano. Isan'andro dia na biriky tsara, na biriky ratsy, no arafitra eo. Na ianao manao tandrametaka, na ianao manorina mahitsy tsara tsy mivaona, ka mahavita tempoly tsara rafitra ho an'Andriamanitra. Noho izany, raha te hanao zava-dehibe ianao, dia aza atao an-tsirambina ireo fotoana kely fanararaotra mandalo eo aminao isan'andro. Izay manao kitoatoa amin'ny zava-madinika kanefa midera tena ho vonona hanao zavatra miezinezina ho an'ny Tompo, dia ahina tsy hahomby velively. (...)

Izay rehetra azon' ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao. Ataovy izay hampahafinaritra ny asanao amin'ny fandravahanao azy amin'ny hiram-piderana. Raha tianao tsy hisy tomika ny mombamomba anao voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra, dia aza be fanahiana na fitarainana. Aoka ny fivavakao ho toy izao: "Ampio aho Andriamanitra hanao ny tsara indrindra mety ho vitako Omeo hery sy fifaliana aho. Ampio mba ho hita taratra eo amin'ny asa fanompoana ataoko ny fanompoam-pitiavana nataon'ny Mpamonj y."

Raiso ho masina ny adidy tsirairay, na dia ny tsotra indrindra aza, fa anisan'ny fanompoana an'Andriamanitra izany. Aza avela hisy zavatra hampanadino anao an'Andriamanitra. Na inona na inona ataonao dia ento miaraka aminao i Kristy, dia ho feno famirapiratana ny fiainanao ka ho velom-pisaorana Azy ianao. — HP, t. 226. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal