Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy tsy iharan'ny fakam-panahy

Daty
Zoma 21 June 2024

 "Izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany. Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany." - 1 Pet. 1:5,6.

Mofon'aina:
Aza mihevitra fa tsy misy fakam-panahy ny fiainan'ny Kristianina. Ho tonga amin'ny Kristianina tsirairay ny fakam-panahy. Tsy maintsy handalo fizahan-toetra na ny Kristianina na izay tsy manaiky an'i Kristy ho Tompony. Izao no maha-samy hafa azy: manompo tompo lozabe sady manao ny asa ratsiny ireo izay tsy manaiky an'i Kristy; fa ny Kristianina kosa dia manompo Ilay nahafoy ny ainy mba hanome azy fiainana mandrakizay. Aza atao mahagaga ny fizahan-toetra, fa raiso ho toy ny fomba fanadiovana sy fanatanj ahana antsika izany. "Ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo." Hoy i Jakôba, "Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." - Jak. 1:2,3. Ho takatsika any amin'ny fiainana ho avy ny amin' ireo toe-javatra izay naha-very hevitra antsika tety. Ho hitantsika ny halehiben'ny herin'Ilay namonjy antsika, sy ny fomba nanirahana ny anjelin'Andriamanitra hiambina antsika teo am-panarahantsika ny tolo-tsaina avy amin'ny tenin'Andriamanitra.

Izay rehetra mandray Azy dia homen'i Kristy hery ho tonga zanak'Andriamanitra Mpamonjy vonona mandrakariva amin'ny fotoana ilana ny fanampiany Izy. (...) Tsy afaka hanameloka afa-tsy ny tenany ireo izay resy noho ny tsy nanoherany ny fahavalo. Afaka mankeo amin'i Kristy avokoa izay rehetra misafidy hanao izany, ka hahazo ny fanampiana izay ilainy. Eo aminao Ilay Mpanolo-tsaina mahery nandritra fotoana nifandimby, ary manasa anao mba hatoky Azy tanteraka. Hiala Aminy ve isika ka hitodika amin'olombelona tsy azo antoka, izay tsy afa-miala amin'ny fiankinana amin'Andriamanitra tahaka antsika ihany? Tsy takatsika mihitsy ve ny tombontsoa ananantsika? Tsy meloka ve isika noho fahakelezan'ny fanantenantsika ka tsy mangataka amin'Andriamanitra izay iriny fatratra homena antsika?

"Ny famindram-pon'i Jehôvah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehôvah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. (…) Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo." — Isa. 63:7-9. — HP, t. 257.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal