Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonan'Andriamanftra

Daty
Alahady 23 June 2024

"Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesôsy no fehizoro indrindra." - Efes. 2:19,20. 

Mofon’aina:
Iasan'ny Tompo Jesôsy ny fon'ny olombelona ka anehoany famindrampo sy fahasoavany lehibe. Misy fanovana mahagaga ataony, hany ka manda mafy tsy hain'ny fitaka na ny hafetseny tohaina no fahitan'i Satana izany (...). Talanjona sy feno hafaliana ny anjelin'ny lanitra, ny serafima sy ny kerôbima, dia ireo hery nirahina hiara-miasa amin'ny olona, eo am-pitazanana ny olombelona lavo, izay efa zanaky ny fahatezerana, kanefa noho ny fanofanan'i Kristy dia manjary manam-pitoviana amin'Andriamanitra ary tonga zanany lahy sy zanany vavy sady manana anjara lehibe eo amin'ny raharaha sy ny fifalian'ny lanitra.

Nomen'ny Tompo fahafaha-manao sy fitahiana ny fiangonany mba hahafahany maneho amin'izao tontolo izao ny maha-ampy ny fahasoavany, ary koa mba ho tanteraka ao Aminy ny fiangonany, izay fanehoana tsy mitsahatra ilay tontolo hafa, dia ilay tontolo mandrakizay, sy fanehoana ireo lalàna izay ambony lavitra noho ny lalàna eto an-tany. Tokony ho tempoly voaorina arakany endrik ' Andriamanitra ny fiangonany. (...)

Ny fiangonana, izay mitafy ny fahamarinan' i Kristy, dia trano firaketany, ka ao no tokony hahitana mazava sy amin'ny fahafenoany ny haren'ny famindrampony sy ny fitiavany ary ny fahasoavany. Fahagagana ho an'ny mponin'ny lanitra, ary fifaliana lehibe ho azy ireo ny fanambaran'i Kristy ao amin'ilay vavaka nataony ho an'ny mpianany, fa lehibe tahaka ny fitiavan'ny Ray Azy, Izay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra, ny fitiavan'ny Ray antsika, ary koa hiaraka Aminy any amin'izay itoerany isika ka ho iray amin'i Kristy sy ny Ray mandrakizay. Toy ny andry afo miaro ny fiangonany amin'ny herin'ny maizina ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina, izay maro karazana sy miavosa. Ho an'i Kristy, ny vahoakany ao anatin'ny fahadiovana sy fahatanterahana tsy misy pentina no valin-kasasarany, izay niaretany fahoriana, fahafaham-baraka, izay tsy nitsitsiany fitiavana, ary fanehoana ny voninahiny. I Kristy no ivo izay iaingan'ny tara-pahazavana be voninahitra rehetra. — HP, t. 282. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal