Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsarovy ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony

Daty
Alatsinainy 24 June 2024

"Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo." — 2 Pet. 1:12. 

Mofon’aina:
Na toy inona na toy inona faharetan'ny diantsika mankany amin'ny fiainana mandrakizay dia ilaintsika ny mitantara ny famindrampo nasehon'ny Ray tamintsika sy ny manovo fanantenana sy hery ao amin'ireo teny fikasana ao amin'ny Teniny (...). Takatr'i Petera ny ilana fiambenana mandrakariva, ary tsapany fa manery azy ny Fanahy Masina mba hanantitrantitra amin'ny mpino ny maha-zava-dehibe ny fitandremana fatratra eo amin'ny fiainana isan'andro (…).

Oh! Raha mba hazonintsika mandrakariva ao an-tsaina mantsy ny momba ny mahasoa antsika mandrakizay, dia tsy hanao fahadalana isika na hiteniteny foana! Manoloana antsika ny asantsika mandritra ny fiainana. Anjarantsika ny manao izay haha-azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika, amin'ny alalan'ny fitandremana tsara ireo torolalana voarakitra ao amin'ny Teny masin'Andriamanitra (...) 

Azontsika atao ny maneho ohatra tsara araka ny tokony ho izy amin'ny alalan'ny fitenintsika feno fahamasinana, izay fananarana ho an'ny mpanao ratsy. Tsy azontsika atao ny maneho oha-piainana izay toa mankasitraka ny fanaovan-dratsy. Misy lanitra tokony hotratrarintsika ary helo tokony handosirana. Any amin'ireny fiangonan-dehibe ireny (...) dia ahina ny fitotonganana. Noho ny habetsaky ny mambra ao am-piangonana dia mirona kokoa ho amin'ny tsirambina sy ny tsy firaihana ny sasany, kanefa tsy ho toy izany raha vitsy na tsy maintsy hijoro irery izy ireo. Na tsy tsara aza anefa ny toe-javatra misy antsika dia azontsika atao mandrakariva ny miambina sy mivavaka ary maneho ohatra tsara amin'ny fomba fitenintsika, izay vavolombelona mahery miasa ho an'ny fahamarinana. (...) Aoka isika tsy hanao teny manakivy ny namantsika (...). Nanolotra ny ainy i Kristy mba hahafahantsika manana fiainam-boninahitra miaraka Aminy. Ho hita eo amin'ireo tanany mandrakizay ny marik'ireo fantsika tsy mifaditrovana nanomboana Azy teo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary (... ).

Mivonona ho amin'ilay fiainana mandrakizay ho avy isika ankehitriny, ary tsy ho ela intsony, raha mahatoky isika, dia hahita ny vavahadin'ny tanànan'Andriamanitra hisokatra (...) mba hidiran'ireo izay nihazona ny fahamarinana handray ny lovany mandrakizay. — HP, t. 299. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal