Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny adidintsika amin'ny mahantra

Daty
Alakamisy 27 June 2024

"Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo." - Mat. 25:35,36. 

Mofon'aina:
Mila ny firaisam-pontsika izao tontolo izao, mila vavaka sy fanampiana avy amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary mila mahita an'i Kristy eo amin'ny fiainan'ireo mpanara-dia Azy; kanefa ny vahoakan'Andriamanitra koa mila azy ireo mba hanehoany firaisam-po, mba hampisy vokany ny vavaka ataony, ary mba hahazoany mamolavola toetra araka an'Andriamanitra ao aminy. Izany no antony nametrahan'Andriamanitra ny vahoakany eo anivon'ny mahantra, ny sahirana, ny marary, ary ny mijaly. Lova navelan' i Kristy ho an'ny fiangonana ireo fadiranovana ireo, natao hokarakaraintsika tahaka ny nikarakaran'i Kristy antsika. Toy izany no anesoran'Andriamanitra ny tain-drendrika sy anadiovany ny volamena, ka anomezany antsika ny toe-po sy ny toe-tsaina ilaintsika.

Azon'Andriamanitra tanterahina tsy misy antsika ny asany. Tsy miankina amin'ny volantsika, na ny fotoantsika, na ny filofosantsika Izy tsy akory. Saingy sarobidy indrindra eo imasony ny fiangonana. Ao no itoeran'ny vatosoany sarobidy, vala misy ny andian'ondriny, ary iriny fatratra izy tsy hisy pentimpentina na fiketronana na izay toy izany. Fitiavana tsy hay lazaina no itiavany azy. Izany no nanomezany antsika fahafahana hiasa ho Azy, ary ekeny ho mariky ny fitiavantsika Azy sy ny fahatokiantsika Aminy ny asa ataontsika. 
Apetrak'Andriamanitra eo anivon' ireo mahantra sy mijaly isika mba hizahana ny toetrantsika, hanehoana amintsika ny toe-pontsika. (...)

Mitaky fahafoizan-tena avy amintsika ny asa tsara, ary amin'izany indrindra no hahaizantsika mifehy tena. Mahatonga antsika hanohitra ireo fihetseham-po sy fironana ara-nofo ao amintsika izany adidy izany, ary raha tanteratsika, dia hahazoantsika fandresena miampy fandresena eo am-pitolomantsika amin'ireo toetra ratsintsika. 
Tsy izay ampianarina eny amin'ny polipitra loatra no handresy lahatra izao tontolo izao fa ny fiainan'ny fiangonana. Manambara ny foto-pampianaran'ny filazantsara ny mpitory teny, fa ny fahamasinana iainan'ny fiangonana kosa no maneho ny heriny. — HP, t. 324

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal