Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 21 June 2024

Tamin'ny taona 1851 no nampifandraisan'ireo mpamaky lay Advantista ny bibidia faharoa ao amin'ny Apôk . 13:11-17 amin'i Etazonia. Azo antoka anefa fa sarotra tamin'izany fotoana izany ny nieritreritra ny fomba haneren'i Etazonia an'izao tontolo izao hiankohoka amin'ilay bibidia voalohany (Apôk . 13:12). Na tamin'ireo taona 1880 aza mantsy dia zara raha nanana sambo efa antitra 48 ny tafika an-dranomasin'i Etazonia. Nanomboka tamin'ny fiafaran'ny ady mangatsiaka anefa dia tsy misy hery afa-mitaha amin'izay ananan'ny tafik'i Etazonia. Ary na dia nisitraka fahafahana mahatalanjona aza ireo Amerikanina, rehefa nihasarotra ny toe-javatra, dia hita ihany ny fanitsakitsahana ireny fahafahana ireny, na ny fanohintohinana izany mihitsy aza. Inoan'ny maro fa na amin'izao andro izao aza dia mitranga izany.

"Izay rehetra manda tsy hilefitra dia hiharan'ny sazy ahatran'ny fanjakana, ary amin'ny farany dia holazaina fa mendrika ny ho faty izy ireo. Etsy andaniny anefa, ny lalàn'Andriamanitra dia mandidy ny hitandremana ny andro fitsaharan'ny Mpamorona ka mampitandrina izay rehetra mandika ny fitsipika ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra."- HM, t. 630.

"Raha manatona ny tafio-drivotra, dia misy antokon'olona maro izay niseho ho mino ny hafatry ny anjely fahatelo, nefa tsy nohamasinina tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana, no hiala amin'ny toerany ankehitriny ka hirotsaka eo amin'ny laharan'ny mpanohitra. Niray tamin'izao tontolo izao izy sady nifindran'ny toe-tsainy, ka nanjary saiky nitovy ny fomba fijeriny ny toejavatra; ary rehefa tonga ny fisedrana, dia efa voaomana mialoha hifidy ny lalana mora arahin'ny besinimaro izy ireo. Misy olona manan-talenta sy fahaizana mahataona, izay efa nahita fifaliana tamin'ny fanarahana ny fahamarinana, nefa ankehitriny dia mampiasa ny heriny hamitaka ny fanahy sy hampivily azy amin'ny lalan-diso. lreo no hanjary fahavalon'ny rahalahiny teo aloha sady hasiaka indrindra. Rehefa hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ny mpitandrina ny Sabata mba hanazava ny amin'ny finoany, dia ireny mihemotra ireny no ho fiasan'i Satana mahomby indrindra mba hanosoram-potaka sy hiampangana azy, ka ny tatitra lainga hataony sy ny hevitra hasosony no hanosika ny mpanapaka hamely azy ireo." - HM, t. 634. 
 
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahatakarana ireo toe-javatry ny andro farany izay hiseho amin'ny fotoan-tsarotra ho avy? Ahoana no mahatonga ny Soratra Masina ho fiarovana amin'ny famitahana?    
2. Firenena demokratika maro maneran-tany no iorenan'ny fahafahana ara-pivavahana nandritra ny taonjato maro. Ahoana no hiovan'izany amin'ny fomba haingana dia haingana?   
3. Jereo ny fanambaran'i Ellen G. White etsy ambony. Inona ny safidy ataonao ankehitriny izay mety hahatonga anao hiandany amin'ireo izay miseho ho Advantista rahampitso?    
4. Ahoana no niovan'ny hafatry ny anjely faharoa ho amin'ny feo mahery, ary inona ny fiomanana manokana azontsika atao mba handraisantsika ny fara-orana hamitana ny asan’Andriamanitra maneran-tany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal