Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo amin’ny hazon’aina

Daty
Alahady 30 June 2024

« Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Ianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra. » Apôk. 5:9.

Mofon’aina:

Manantena ny ho tonga any an-danitra sy ho isan’ny antoko mpihiran’ny lanitra ve isika amin’ny farany? Tahaka ny nidirantsika tao am-pasana ihany no hitsanganantsika avy ao, raha ny toetrantsika no resahina. (...) Izao no fotoana hanasantsika sy hipasohantsika ny fitafiantsika (...). 
Nahita ny seza fiandrianan’Andriamanitra i Jaona, ary nisy vondron’olona nanodidina azy. Dia nanontany izy: “Iza moa ireo?” ary izao no valiny: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” – Apôk. 7:14. Mitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina i Kristy, eo no misy ny hazon’aina, eo no misy Ilay Mpamonjy sarobidy. Aseho antsika eto ny fiainana izay mifamatra amin’ny an’Andriamanitra. Tsy misy intsony na fanaintainana, na alahelo, na aretina, na fahafatesana. Fiadanana sy firindrana ary fitiavana no manjaka (...). 
Tonga ny fotoana andraisantsika fahasoavana sy hery ary fahafahana, hiezahantsika olombelona mamolavola toetra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha manao izany isika dia ho hitantsika fa hanompo antsika ny anjelin’Andriamanitra, ary ho mpandova an’Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Jesôsy Kristy isika. Rehefa haneno ny trompetra farany ka hantsoina ho afaka amin’ny gadrany ny maty, ary hovana ao anatin’ny indray mipi-maso izy, dia hapetraka eo an-dohan’ireo nandresy ny satro-boninahitra mandrakizay. Hosokafana ho an’ireo firenena nihazona ny fahamarinana ilay vavahady voaravaka perila ka hiditra ao izy ireo. Tapitra ny ady. 
“Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” – Mat. 25:34. Maniry izany fitahiana izany ve isika? Iriko izany, ary mino aho fa toa ahy koa ianao. Andriamanitra anie hanampy anao amin’ny adinao eto amin’ity fiainana ity, hahazoanao fandresena isan’andro sy hahatonga anao ho isan’ireo izay manipy ny satro-boninahiny eo an-tongotr’i Jesôsy (...) Aza lavinao ny Mpamonjiko, fa vidiny tsy manam-petra no naloany ho fanavotana anao. – HP, t. 369.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal