Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voaro tao anaty sambofiara

Daty
Alakamisy 04 July 2024

«Ary hoy Jehôvah tamin ’i Noa: Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.» Gen. 7:1. 

Mofon’aina:   
Efa nanaraka tsara ny toromarika nomen’ny Tompo i Noa. Efa vita ny sambofiara; efa nanomanana hanina ny olona sy ny biby hiditra ao anatiny. Dia nanao ny fitaomana farany azony natao ilay mpanompon’Andriamanitra. Tamin-kafanampo tsy hay lazaina no niantsoan’i Noa ireo mpiara-belona taminy hanaiky ny fialofana izay atolotra azy maimaimpoana. Mbola hehy sy eso ihany no navaly ny teniny. Kanjo vetivety foana dia kepoka izy rehetra. Indreny andiam-biby dia sy biby fiompy samy hafa karazana, nivoaka avy tany an’ala sy nitsontsorika avy teny amin’ny havoana; nilahatra tsimoramora nanatona ny sambofiara. Injany koa toa rivotra mahery mifofofofo. Inona àry no hiseho? Andiam-borona marobe nameno ny lanitra, avy tamin’ny vazan-tany efatra, no nilahatra mahafinaritra sy tamy nanatona. Raha mbola nanohitra sy tsy niraharaha ny baikon’Andriamanitra ny olona, ny biby kosa niditra tao amin’ny sambo fiara.

Nony nahita ireo bibidia avy any an’ala nanatona teo am-baravaran’ny sambofiara, sy ny nampidiran’i Noa azy ireo tsirairay ny olona, dia efa zatra loatra nanamafy ny fony sy efa nandà hatry ny ela loatra ny hafatr’Andriamanitra notorina taminy (...) ka tsy nandairan’inon’inona intsony ny feon’ny fieritreretan’izy ireo.

Dia nitsahatra ny famindrampo rehetra ho an’ilay taranaka meloka. Efa nahazo fialofana ny biby teny an-tsaha sy ny voro-manidina. Efa tafiditra tao amin’ny sambofiara koa i Noa mianakavy. Dia narindrin’i Jehôvah ny varavarana. (...) Tanana tsy hita maso no nandrindrina ilay varavarana mavesatra sy matevina izay tsy zakan’olona avy tao anatiny nakatona. Nanam-pialofana ary i Noa, fa ireo mpaniratsira ny fahasoavana kosa tsy mba nanam-piarovana. Tombo- kasen’Andriamanitra no napetraka teo amin’izany varavarana izany, izay lzy irery no afaka hamoha azy indray. Toy izany koa no handrindrinana ny varavaram-pahasoavana alohan’ny hiavian’i Kristy, ety ambonin’ny tany, rehefa vita ny asa fifonana ataony any an-danitra.

Noho ny tsy fisian’izany fahasoavana izany intsony, dia hamely sy hampahory mafy ny ratsy fanahy ny herin’i Satana. Izany no hahatonga azy ireo hitady handringana ny vahoakan’Andriamanitra; kanefa toy ny niarovana an’i Noa tao anaty sambofiara, dia ho toy izany koa no hiarovan’ny Tsitoha ny mpanompony. – CC, t. 39.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal