Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANTARA MIFANOSONA : FIZARANA 1

Daty
Alarobia 17 July 2024

Vakio ny Mar. 3:20-35. Inona no ifandraisan'ireo tantara roa voalaza ao ireo?

Io andalan-tSoratra Masina io no "sandwich story" (tantara mifanosona) voalohany ao amin'ny Marka: manomboka amin'ny tantara iray aloha ny mpanoratra, avy eo dia misy tantara faharoa asosony, izay vao faranany ilay tantara voalohany.

Tapa-kevitra ny haka an'i Jesôsy ny havany satria noheverin'ireo fa very saina Izy (Mar. 3:21). lo no tantara voalohany. Ny tantara misosoka eo anelanelany kosa dia ny amin'ireo mpanora-dalána izay milaza fa miray tendro amin'ny devoly i Jesôsy (io tantara nasosoka io, ao amin'ny Mar. 3:22-30, no ifantohan'ny lesontsika anio).

Melohin'ny mpanora-dalána ho avy amin'ny devoly ny herin'i Jesôsy manasitrana ao amin'ny Mar. 3:22. "Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?" lo fanontaniana lehibe io aloha no nasetrin'i Jesôsy ny fanamelohany. Tsy mitombina ny hoe miasa manohitra ny tenany ihany i Satana. Niresaka momba ny fanjakana sy ny mpiray trano ary momba an'i Satana aza i Jesôsy ka nasehony fa fahadalana amin'ireo ny fisaraham-bazana raha mbola tiany koa ny hahomby. Avy eo Izy dia niresaka momba ny famatorana ny mahery mba hahazoana mandroba ny ao an-tranony. Ao amin'io sary an'ohatra farany io dia i Jesôsy no ilay mpandroba miditra ao an-tranon'i Satana, mamatotra ity mpanjakan'ny fahamaizinana ity, ka manafaka ireo eo ambany vahohony.

Vakio ny Mar. 3:28-30. Inona ilay heloka tsy azo avela, ary inona ny hevitr'izany?

Ny fahotana atao amin'ny Fanahy Masina no heloka tsy azo avela, dia ny miantso ny asan'ny Fanahy Masina hoe asan'ny devoly. Mariho fa ao amin'ny Mar. 3:30, ny antony nanaovan'i Jesôsy ny fanambarany ao amin'ny Mar. 3:28,29 dia satria nolazain'ny mpanora-dalana fa azom-panahy maloto Izy, kanefa raha ny marina dia ny Fanahy Masina no tao Aminy. Raha ataonao hoe asan'ny devoly ny asan'ny Fanahy Masina dia tsy hihaino ny Fanahy Masina mibitsika aminao ianao, satria tsy misy olona maniry hanaiky ny fitaoman'ny devoly, raha mbola vory saina koa.

Mety matahotra ianao andrao efa nahavita izany heloka tsy azo avela izany. Nahoana ny fahatsapanao izany tahotra izany no manambara fa tsy mbola vitanao ilay heloka?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal