Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana hitarika

Daty
Alahady 14 July 2024

« Ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin’ny ondry, dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin ’ny somony, ary nasiako ka matiko. ». 1 Sam. 17:34,35.

Mofon’aina:     
Ary i Davida nitombo fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona ka niezaka tamin’ny fony rehetra hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nahita zava-baovao hodinihina indray izy. Ny fotoana laniny tao an-dapan’ny mpanjaka, dia naneho taminy, ankoatra ireo adidy eo amin’ny fitondram- panjakana, ny sasantsasany tamin’ny fakam-panahy namely ny fanahin’i Saoly ary koa nanazava taminy ny zava-miafina momba ny toetrany malahelohelo sy mora tohina. Tsinjony fa alofan’ny lamban’ny lonilony ny satroboninahitry ny fiandrianan’ny mpanjaka ka nanaloka hatrany amin’ny tokantranony izany, izay tsy ahitam-pahasambarana mihitsy. Mba hanadinoany ireny fiheverana mampalahelo ireny, dia noraisiny ny lokangany ka ny feony manga no nanainga ny eritreriny ho any amin’Ilay Mpanao ny soa rehetra sy Mpampisava ny rahona izay nanakona ny fitsinjovana ny hoavy indraindray.

Tahaka ny nanomanany an’i Mosesy hanao ny asany, dia toy izany koa no nanabeazany ny zanak’i Jese ho tonga mpitarika ny olom-boafidiny. Tany am-piandrasana ondry, no nahafantaran’i Davida ny fiahian’Ilay Mpiandry lehibe ny ondriny. Ny havoana mangina sy ny hady haolo niandrasany ny ondriny no nataon’ny bibidia maro fierena. Imbetsaka no nisy liona nivoaka avy tany amin’ny ala matevina any Jôrdana na nisy bera noana avy tany an-davany tonga nihinana ny andian’ondry. Araka ny fanao tamin’izany andro izany, na dia antsamotady sy tehin’ny mpiandry ondry fotsiny aza no hany fiadiana teny an-tanany, dia nampiseho hatry ny ela herim-po sy tanjaka nentiny niaro ireo ondry aman-osy nasaina nandrasany ireo izy. (...) Ireny fanehoam- pahasahiana izay nanabe ny herim-po sy ny fahatoniana ary ny fitokiany an’Andriamanitra ireny no nahatonga ny tandapa handoka azy teo amin’ny mpanjaka ho “lehilahy mahery” ary koa: “Jehovah momba azy". — CC, t. 161.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal