Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa miafin’i satana

Daty
Alatsinainy 15 July 2024

« Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra. »Efes. 6:12.

Mofon’aina:   
Tsy dia midera firy ireo olona mahery fo voalaza ao anatiny ny Baiboly. Toerana kely dia kely no mba atokany hilazana ny toe-panahin’ireo olombelona tsara indrindra. Tsy nataotao foana izany fanginana izany fa mirakitra fampianarana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny toetra tsara rehetra ananan’ny olona. Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Jesôsy Kristy ny asa soa vitany, ka an’i Jehôvah ny voninahitra. Fiasana eo am-pelatanan’Andriamanitra ihany ny olona, ka mampidi-doza ny mandoka azy, araka ny ampianaran’ny Baiboly antsika. Ho lavo tokoa izay mitoky amin’ny herin'ny tenany, noho ny fanadinoany fa tsy mahavita na inona na inona avy amin’ny herin’ny tenany izy. (...) Tsy azo atao ny miady irery sy handresy ny fahotana. Noho izany, izay rehetra miasa hahatonga antsika ho tsy manan-java- mahory, dia mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra sy manomana lalana ho amin’ny faharesena.

Niroso nanao heloka bevava i Davida. Nanjary nangeja azy ny fandroboana sy ny fitaomana fetsin’ny fitiavam-pahefana sy renty. Tsy latsa- danja amin’izany koa ny varotra nataony tamin’ny firenena manodidina. Araka ny fomba fanao teo amin’ny mpanjaka tatsinanana, dia azo nekena ny fitondran-tena ratsy nataon’ny mpanjaka, izay tsy azo leferina teo amin’ny olona. Nisy fanomezana lalana ny mpanjaka, izay tsy nomena ny olon-tsotra mety maty. Vao mainka mampihena ny toetra maharikorikon’ny fahotana teo amin’i Davidajzany rehetra izany. Ny fahendreny sy ny heriny no nitokiany fa tsy niantehitra tamim- panetren-tena isan’andro tamin’ny herin’Andriamanitra izy. Tsy manaonao foana na mamely tampoka i Satana, mba handavoana antsika. Tsikelikely no handravany amin-kafetsena ireo fitsipika arahintsika sy hampanalavirany antsika amin’Andriamanitra; dia taominy isika hanao fahadisoana tsy dia manao ahoana loatra, ary farany, rehefa mahomby izy hahatonga antsika hianatra ny fanaon’izao tontolo izao, dia ezahiny indray ny hanaitra ireo faniriana maloto avy amin’ny filan’ny nofontsika. – CC, t. 177.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal