Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Feo any an'efitra

Daty
Alarobia 17 July 2024

 "Ary Elia Tisbita, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehôvah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany." - 1 Mpanj. 17:1. 

Mofon’aina:    
Tatsinanan' i Jordana, no   nonenan'ny lehilahin'ny finoana sy ny fivavahana iray, izay tokony hampitsahatra ny fihazakazahan'ny fihemorana tany Isiraely tamin'ny alalan'ny asa liana fahasahiana nanirahana azy tamin'ny andro nanjakan'i Ahaba. Na dia lavitra ny tanana malaza tokoa sy tsy mba nanana toerana ambony aza i Elia Tisbita, dia nanaiky ny iraka nampanaovina azy, ary nametraka ny fitokiany tamin'ny Tompo mba hamboatra lalana ho azy sy hanome azy fitahiana be dia be. Voamariky ny finoana sy ny hery ny teny naloaky ny vavany, ary voatokana ho amin'ny asa fanavaozana ny fiainany manontolo. Ny feony dia feon'ilay miantso any an'efitra mba hanameloka ny ota sy hanohitra ny fisondrotry ny ranomasin'ny faharatsiana izay mitosaka amin'ny tany.

Nahazo baiko hilaza tamin'i Ahaba ny famaizana avy any an-danitra miandry azy i Elia. "Ny tenin'i Jehôvah dia tonga taminy" fa tsy nitady ny ho mpitondra hafatr'Andriamanitra izy. Noho ny maha-sarotiny azy tamin'ny voninahitra tsapany fa ananan'ny asan'Andriamanitra dia tsy nisalasala ny hanaiky ny antsony izy, na dia hamoizany ny ainy eo an-tanan'ny eo an-tendrombohitr'i Gileada, mpanjaka ratsy fanahy mihitsy aza izany (...)

Finoana mahery vaika ny Tenin'Andriamanitra tsy mety diso ihany no nahafahan'i Elia nanambara ny hafatra nentiny. Raha tsy natoky tanteraka an'Ilay tompoiny izy, dia tsy ho sahy na oviana na oviana hiseho teo anatrehan'i Ahaba. Nanara-morona ilay lakan-drano tsy nety ritra sy nananika ny havoana maitso mavana ary namakivaky ny ala mendri-kaja izay toa nihaika ny hain-tany izy rehefa nandeha ho any Samaria. Nitafy hatsaran-tarehy avokoa izay rehetra tazan'ny masony. Mety ho nanontany tena ilay mpaminany hoe ahoana moa no haharitra ny renirano izay tsy nitsaha-nikoriana hatramin'izay, na ahoana koa no handoran'ny hain-tany ny havoana sy ny lohasaha maitso mavana. Kanefa tsy mba nahakasika azy na dia kely akory aza ny fisalasalana. Niaiky tanteraka izy fa Andriamanitra efa nanapa-kevitra hampietry ny fanjakan'Isiraely nihemotra, ary amin'ny alalan'ny famaizana no hitarihana azy ho amin'ny fibebahana. Voatolotra ny baikon'Andriamanitra any tsy ho diso ny Teniny; ka tamin'ny fanaovan'i Elia ny ainy tsy ho zavatra no nanefany ny iraka nampanaovina azy. — CC, t. 205. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal