Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Izay rehetra eo ambony alitara

Daty
Zoma 19 July 2024

 "Tsy nisy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." - Lio. 9:62.

Mofon'aina:
Tsy voatery ho voantso toa an'i Elisa avokoa isika eo amin'ny fanompoana, na koa hoe tsy maintsy hivarotra ny fananantsika avokoa, fa mangataka antsika Andriamanitra mba hametrahantsika ny fanompoana Azy eo amin'ny toerana voalohany amin'ny fiainantsika. Mba tsy hisy andro na dia iray aza handalo ka tsy hanaovantsika izay hampandroso ny asany eto an-tany. (...) Eken'Andriamanitra ny fanatitry ny tsirairay. Ny fanoloran-tena eo amin'ny fiainana sy izay rehetra manodidina azy dia tena ilaina tokoa. lreo izay manao izany fanoloran-tena izany dia haheno ary hankato ny antso avy any an-danitra (...)

Tsy asa lehibe no nangatahina voalohany tamin'i Elisa, fa ireo adidy mahazatra andavanandro mandrafitra ny fiainany ihany. Lazaina ohatra hoe manondraka rano eo amin'ny tanan'i Elia tompony ihany. Vonona ny hanao izay rehetra lazain'ny Tompo izy, ary isaky ny indray mandingana dia mianatra ny leson'ny fanetren-tena sy fanompoana (...) Tsy milaza tsy akory izany fa tsy nisy fakam-panahy ny fiainan'i Elisa rehefa niaraka tamin'i Elia. Be ireo fisedrana., fa isaky ny toe-java-tsarotra dia niankina tamin'Andriamanitra izy. Nalaim-panahy hody tany amin'ny trano nilaozany izy, saingy tsy nasiany vidiny izany. Raha nametraka ny tanany teo amin'ny sarietiny izy, dia ninia tao am-pony tsy hiverin-dalana, ary tamin'ny alalan'ireo fitsapana sy fisedrana dia noporofoiny fa nahatoky marina tokoa izy (...) Nanatitra an'ilay mpaminany i Elisa (...) Voasedra indray mandeha indray ny finoany sy ny fanapahan-keviny. Tao Gilgala aloha, avy eo dia tao Betela sy Jeriko, nasain'ilay mpaminany niverina izy (...) saingy (...) tsy nanaiky ho rembin'ny foto-kevitra izay nandrebireby azy (...) "ary hoy Elia tamin'i Elisa: angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho." - 2 Mpanj. 2:9a.

Tsy haja amam-boninahitr'izao tontolo izao no nangatahin'i Elisa na toerana ambony ho isan'ireo manan-kaja eto an-tany. Ny niriny dia ny fatra fenon'ny Fanahy, homen'Andriamanitra maimaim-poana sy amin-kalalahana ho an'izay omem-boninahitra. Fantany fa tsy nisy afa-tsy ny Fanahy ihany no nitoetra tao amin'i Elia nahatonga azy ho mendrika ny toerana teo amin'ny Isiraely izay niantsoan'Andriamanitra azy, ka nangataka izy hoe: "Marina hianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy." (and. 9b). - CC, t. 222. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal