Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana sy teny fikasan'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 22 July 2024

"Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon'ny finoany." - Hab. 2:4. 

Mofon’aina:
Tamin'ny fotoana nanjakan'i Josia sy taona maro talohan'izao dia nieritreritra ireo olona nahatoky tao amin'ny Joda raha ho tanteraka ihany ireo teny fikasan'Andriamanitra nataony tamin'ny Isiraely fahizay (...) 

I Habakoka no nilaza ireo fanontaniana feno tebiteby ireo raha nahita ny finoan'ireo olona tamin'ny androny ka namoaka izay mavesatra tao am-pony hoe: "Jehôvah ô indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao!" – Hab. 1:2 (...) Ny finoany izay nihoatra ny azo heverina ny amin'ny ho avy dia nifikitra mandrakariva tamin'ireo teny fikasana sarobidy momba ny fitiavan'Andriamanitra ireo Zanany mahatoky, ka nanao hoe: "tsy ho ringana isika". Niaraka tamin' ity fanambarana amim-pinoana ity no nametrahany ny toe-java-nisy teo aminy sy ireo vahoaka mino tao Isiraely teo am-pelatanan'Andriamanitra mpamindra fo (...)

Ny finoana izay nanatanjaka an'i Habakoka sy ireo masina sy marina tamin'izany fotoan'ny fisedrana mahamay izany no finoana izay mitahiry koa ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny. Ao anatin'ny ora maizina, eo ambany toe-javatra mangidy, dia afaka mitahiry ny fanahiny hitoetra eo amin'ilay loharanon'ny fahazavana sy ny hery rehetra ireo Kristianina mino an'Andriamanitra. Isan'andro amin'ny alalan'ny finoana dia havaozina hatrany ny fanantenany sy ny herim-pony, "fa ny marina amin’ny finoana no ho velona." – Hab. 2:4b (...)

Tsy maintsy mankasitraka sy mikolokolo ny finoana izay niainan'ireo mpaminany sy Apôstôly isika, finoana miorina amin'ny teny fikasan'Andriamanitra ary miandry ny fanafahana araka ny fotoanany sy ny fombany. Ireo teny azo antoky ny faminaniana dia hihaona amin'ny fahatanterahana farany rehefa ho avy am-boninahitra ny Tompo Jesôsy Mpamonjy antsika, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo (...) Toy ny tamin'ny alalan'ny mpaminany izay niezaka nampahery an'i Joda tao amin'ny fotoanan'ny fihemorana tsy nisy toa azy, dia aoka isika hilaza amim-pahatokiana hoe: "Jehôvah dia ao amin’ny tempoliny masina; mangina eo anatrehany, ry tany rehetra." – Hab. 2:20. Aoka isika hitoetra eo amin'ny fahatsiarovana ilay hafatra mamintsika manao hoe: "Fa ny fahitana dia mhola ho amin'ny fotoan'andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona."- Hab. 2:3 – CC, t. 242. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal