Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaky asa ny fahalalana

Daty
Alarobia 24 July 2024

"Io Ezra io dia (...) mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’i  Mosesy, izay efa nomen’i Jehôvah , Andriamanitry ny Isiraely." - Ezra 7:6.

Mofon’aina:
Roa arivo taona mahery no lasa hatramin'ny nanomanan'i Ezra ny fony "hianatra ny lalàn'i Jehôvah ka hankato izany". Na izany aza anefa dia tsy nampihena ny hery avy tamin'ny ohatra nasehony teo amin'ny fiainam-bavaka izany fotoana izany. Ny tantaram-piainany voatokana ho an'Andriamanitra dia niteraka faniriana tao am-pon'ny mpino maro namakivaky ny taonjato nifandimby hampiomana ny fony "hianatra ny lalan'i Jehôvah ka hankato izany. "  

Masina sady tsara ireo antony nampirehitra ny fon'i Ezra. Nampiseho fitiavana lalina ny fanahy tamin'izay rehetra nataony izy. Ny fangoraham-po sy ny fitiavana nasehony tamin'ireo nanota an-tsitrapo na tsy fanahy iniana, dia tokony hanome lesona koa an'ireo izay niitady hanao fanavaozana. (...)

Tsy azo alefahina na ampitomboina ny lalan'Andriamanitra. Araka izay maha-izy azy ihany no hijanonany ho izy. Masina, marina, tsara, sy tanteraka ho azy lalandava izy, ary hijanona ho izany mandrakizay.(...)

Tokony hiomana amin'ilay oram-baratra efa madiva hisafoaka sy hanampoka azy amin'ny fomba mahatsiravina ny Kristianina. Ary amin'izany fiomanana izany dia ilaina ny fandinihana lalina ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiainana mifanaraka amin'ny fitsipiny. Mitaky zavatra hafa noho ny fivavahana noforonin'ny saina, natao tamin'ny teny sy ny fombafomba fotsiny izay tsy misy fahamarinana ilay fiafarana mahatahotra ho amin'ny mandrakizay. (….)

Raha niseho ho vavolombelona tsara tokoa ireo olo-masin'ny Testamenta Taloha, nahoana ireo nandray ny fahalalana voangona nandritra ny taonjato maro no tsy hijoro ho vavolombelona mamirapiratra kokoa hatrany ho an'ny fahamarinana?

Avelantsika hampianatra antsika momba ny fomba tokony hampiasana ny fahalalana ananantsika momba ny Soratra Masina ve ny ohatra nasehon’i Ezra? Tokony hanosika antsika hanompo ny Tompo amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika rehetra ny fiainan'io mpanompon'Andriamanitra io. Samy manana ny asa izay nanendrena antsika avy isika, ary amin'ny alalan’ny ezaka nohamasinina irery ihany no hahatontosa izany. Tsy maintsy milofo hahafantatra ireo zavatra takin'Andriamanitra aloha isika, ary avy eo dia hampihatra izany eo amin'ny fiainana. Rehefa izany dia afaka hamafy ny fahamarinana isika, izay hitondra vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay.CC,t. 260.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal