Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy nisy tonga lafatra na iray aza

Daty
Alakamisy 25 July 2024

"Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay." — 2 Kor. 4:7. 

Mofon'aina:
Samy nanana fahadisoana lehibe avokoa ny mpianatra rehetra raha niantso azy ho amin'ny fanompoana i Jesôsy. Na dia i Jaona aza, izay nanana firaisana akaiky indrindra tamin'Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po, dia tsy nanana toetra voajanahary malemy fanahy sy milefitra akory. Izy mirahalahy no nomena anarana hoe: "zana-baratra". Raha niaraka tamin'i Jesôsy izy indray mandeha, dia nirongatra ny hatezerany sy ny toetrany tia ady noho ny tsy fanajana nasehon'ny olona an'i Kristy. Samy tao amin'ilay mpianatra malala avokoa ny toetra ratsy sy ny valifaty, ny toe-tsaina mpaninitsiny. Feno rehareha izy, ary ny hambom-pony dia ny ho voalohany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nefa isan'andro no nibanjinany ny fitiavana sy ny faharetan'i Jesôsy izay nifanohitra tamin'ny toetran'ny tenany nirehidrehitra, ary reny ny lesona nataony nitory fanetren-tena sy faharetana. Nanokatra ny fony ho amin'ny herin'Andriamanitra miasa mangina izy, ka nanjary tsy mpihaino fotsiny fa mpanatanteraka ny tenin'ny Mpamonjy koa. Niafina tao amin'i Kristy ny "izaho". Nianatra ny hitondra ny ziogan'i Kristy sy ny hizaka ny entany izy.

Nanome tsiny ny mpianany i Jesôsy, nampitandrina sy nananatra azy Izy, nefa tsy niala taminy i Jaona sy ny rahalahiny; nifidy an'i Jesôsy izy na dia teo aza ny fanomezan-tsiny. Tsy niala taminy ny Mpamonjy noho ny fahalemeny sy ny fahadisoany. (...)

Mba hisolo tena Azy eo amin'ny olona, dia tsy anjely tsy mbola lavo no nofidin'i Kristy, fa olombelona, olona manana fironana ambany tahaka ireo mpanota iriny hovonjena ihany. (...)

Satria efa notandindomin-doza koa izy, ary efa nifamahofaho tamin'ny loza sy ny zava-tsarotra teny an-dalana ny fiainany, ary noho io antony io, dia nantsoina izy ireo mba hanatsotra ny tanana amin'ny hafa izay tandindomin-doza tahaka izany koa. Misy fanahy very hevitra noho ny fisalasalana, vesaran'ny fahosana, malemy amin'ny finoana, ary tsy afaka mamikitra ilay tsy hita; nefa indro misy sakaiza izay mety ho hitany, manatona azy amin'ny alalan'i Kristy, manaiky ho tonga masom-by iray ka hampifikitra sy hampiray ny finoana mangozohozo amin'i Kristy.

Mpiara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra isika rehefa maneho an'i Jesôsy eo amin'izao tontolo izao. — CC, t. 289. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal