Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy nisy tonga lafatra na iray aza

Daty
Alakamisy 25 July 2024

"Fa manana izao rakitra izao amin'ny vilany tany izahay, mba ho an'Andriamanitra ny halehiben'ny hery, fa tsy ho avy aminay." — 2 Kor. 4:7. 

Mofon'aina:
Samy nanana fahadisoana lehibe avokoa ny mpianatra rehetra raha niantso azy ho amin'ny fanompoana i Jesôsy. Na dia i Jaona aza, izay nanana firaisana akaiky indrindra tamin'Ilay malemy fanahy sy tsy miavona am-po, dia tsy nanana toetra voajanahary malemy fanahy sy milefitra akory. Izy mirahalahy no nomena anarana hoe: "zana-baratra". Raha niaraka tamin'i Jesôsy izy indray mandeha, dia nirongatra ny hatezerany sy ny toetrany tia ady noho ny tsy fanajana nasehon'ny olona an'i Kristy. Samy tao amin'ilay mpianatra malala avokoa ny toetra ratsy sy ny valifaty, ny toe-tsaina mpaninitsiny. Feno rehareha izy, ary ny hambom-pony dia ny ho voalohany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nefa isan'andro no nibanjinany ny fitiavana sy ny faharetan'i Jesôsy izay nifanohitra tamin'ny toetran'ny tenany nirehidrehitra, ary reny ny lesona nataony nitory fanetren-tena sy faharetana. Nanokatra ny fony ho amin'ny herin'Andriamanitra miasa mangina izy, ka nanjary tsy mpihaino fotsiny fa mpanatanteraka ny tenin'ny Mpamonjy koa. Niafina tao amin'i Kristy ny "izaho". Nianatra ny hitondra ny ziogan'i Kristy sy ny hizaka ny entany izy.

Nanome tsiny ny mpianany i Jesôsy, nampitandrina sy nananatra azy Izy, nefa tsy niala taminy i Jaona sy ny rahalahiny; nifidy an'i Jesôsy izy na dia teo aza ny fanomezan-tsiny. Tsy niala taminy ny Mpamonjy noho ny fahalemeny sy ny fahadisoany. (...)

Mba hisolo tena Azy eo amin'ny olona, dia tsy anjely tsy mbola lavo no nofidin'i Kristy, fa olombelona, olona manana fironana ambany tahaka ireo mpanota iriny hovonjena ihany. (...)

Satria efa notandindomin-doza koa izy, ary efa nifamahofaho tamin'ny loza sy ny zava-tsarotra teny an-dalana ny fiainany, ary noho io antony io, dia nantsoina izy ireo mba hanatsotra ny tanana amin'ny hafa izay tandindomin-doza tahaka izany koa. Misy fanahy very hevitra noho ny fisalasalana, vesaran'ny fahosana, malemy amin'ny finoana, ary tsy afaka mamikitra ilay tsy hita; nefa indro misy sakaiza izay mety ho hitany, manatona azy amin'ny alalan'i Kristy, manaiky ho tonga masom-by iray ka hampifikitra sy hampiray ny finoana mangozohozo amin'i Kristy.

Mpiara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra isika rehefa maneho an'i Jesôsy eo amin'izao tontolo izao. — CC, t. 289. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal