Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatratra ny marika

Daty
Talata 30 July 2024

"Fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy." Fil. 3:13,14. 

Mofon’aina:
Marobe ny zavatra nataon'i Paoly. Mpampianatra hendry tokoa izy, ary ny epistily nosoratany dia feno lesona maro izay manambara foto-pampianarana marina marobe. Nampiasa ny tanany izy nentiny nanaovana lay; izany no nahafahany namelona ny tenany isan'andro. (...) Nilanja enta-mavesatra ho an'ny fiangonana izy. Nanao ezaka tamin'ny fony izy hanehoana tamin'izy ireo ny fahadisoany, mba hanitsian'izy ireo izany sy tsy hahatonga azy ho voafitaka ka hanalavitra an'Andriamanitra. Nitady hatrany izay fomba hanampiana azy ireo izy teo amin'ny fahasahiranany, kanefa izao no nambarany momba izany: "zavatra iray loha no ataoko". (...) Nahatonga azy hampifantoka mandrakariva ny masony teo amin'i Jesosy Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoany ny fahatsapana mandrakariva ny fanatrehan'Andriamanitra.

Tokony hanentana ny mpanompon'Andriamanitra hanolo-tena tanteraka amin'ny asany koa ny tanjona voalohany nanosika an'i Paoly handroso, ka hiatrika ny loza sy ny tebiteby nahazo azy. Hiseho eo anatrehany hampiala ny sainy tsy hibanjina ny Mpamonjy ny tany sy ny zava-mahatsiriritra eo aminy, kanefa aoka hiezaka hanatratra ny marika efa nokendreny hotratrarina izy. Hasehony amin'izao tontolo izao sy amin'ny olona ary amin'ny anjely, fa ny fahasambarana hahita ny tavan'Andriamanitra dia mendrika hanaovana ny fandavan-tena rehetra ilaina ho fahatanterahan'izany fanantenana izany.

 Azon'izay ambany indrindra amin'ny mpianatr'i Kristy atao ny ho tonga mponin'ny lanitra, mpandova an'Andriamanitra amin'ny lova tsy mety lo sy maharitra. Raha mba misafidy ny fanomezana avy any an-danitra mantsy ny olon-drehetra, ka ho tonga mpandova an'Andriamanitra amin'ny lova izay azo antoka tsy ho azon'izay mpanimba, dia ny tontolo tsy misy fahataperana! Aza misafidy izao tontolo izao; fidio ny lova tsara kokoa noho izany.

Tsy ho eta dia hanatrika ny fanandratana ny Mpanjakantsika isika. Ireo izay nanana fiainana voafina tao amin'i Kristy, izay niady ny ady tsaran'ny finoana teto an-tany, dia hiara-mamiratra amin'ny voninahitry ny Mpanavotra any amin'ny fanjakan' Andriamanitra. – CC, t. 253. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal