Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FOTOANA MAMPANGITAKITAKA MIARAKA AMIN'I JESÔSY

Daty
Talata 30 July 2024

Vakio ny Mar. 5:21-24. Inona no tena mampiavaka an'i Jairo?

Tsy dia mifandray tsara amin'i Jesôsy ireo mpitondra fivavahana tamin'izany andro izany, tahaka an'i Jairo (jereo ny Mar. 1:22; Mar. 3:2,6; Lio. 13:14). Koa azo lazaina fa namoy fo tokoa i Jairo. Maneho izany ny niankohofany teo an-tongotr'i Jesôsy. Ny fangatahany dia toy izay ho nataon'ny ray na ny reny rehetra, izay efa ho faty ny zanany. Kanefa nino izy fa afaka hanampy azy i Jesôsy. Dia nandeha niaraka tamin'ity raim-pianakaviana ity ho any an-tranony i Jesôsy, tsy niloa-bava.

Vakio ny Mar. 5:25-34. Inona no nampiato ilay dia ho any an-tranon'i Jairo?

Tantara iray hafa mahonena no nanapaka tampoka ny fizotr'ilay tantara — nisy vehivavy anankiray nampahorin'ny aretina nandritra ny roa ambin'ny folo Taona. Ireo tantara roa ireo, dia ny an'i Jairo sy ny an'ity vehivavy ity, no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) faharoa ao amin'ny bokin'i Marka (jereo ny Mar 3:20-35, izay nodinihintsika tao amin'ny lesona 3). Samy nanatona an'i Jesôsy, nila vonjy taminy, ireo olona roa samy hafa tanteraka ireo, dia i Jairo sy ilay vehivavy.

Avy tao ivohon'i Jesôsy ilay vehivavy no nikasika ny lambany, ary avy hatrany dia sitrana niaraka tamin'izay. Saingy nijanona i Jesôsy ary nanontany hoe: "Iza izany nanendry ny lambako izany?"

Sitrana tampoka teo ilay vehivavy izay narary mafy ela. Natahotra anefa izy andrao nahatezitra an'i Jesôsy ny zava-nitranga. Nampivarahontsana tanteraka azy izany. Kanefa i Jesôsy dia tsy naniry hanasitrana ny vatany ihany, fa hanasitrana ny fanahiny koa.

Dia miverina amin'i Jairo ny tantara (jereo ny Mar. 5:35-43). Fotoana mampangitakitaka koa ity ho an'ilay mpanapaka ny synagoga. Tsy nisy navelan'i Jesôsy hanaraka Azy sy ny ray aman-drenin'ilay zaza afa-tsy I Petera sy I Jakôba ary i Jaona. "Tsy maty razazavavy, fa matory" hoy i Jesôsy. Noroahin'i Jesôsy hivoaka ny trano ireo olona nitabataba sy nitomany ka niditra tao amin'ilay efitra nandrian'ilay zazavavy efa maty izy. Noraisiny ny tanan'ilay zazavavy ka hoy lzy: "Talita komy". Nadikan'i Marka ireo teny ireo hoe: "Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna."Raha ny marina dia midika hoe: "zanak'ondry" ny teny hoe "Talita", izay anarana mamy fiantsoana ny ankizy ao an-tokantrano, araka izany. Ny nandraran'i Jesôsy azy mba tsy hilazalaza ny zava-nitranga ho fantatr'olona dia mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'ny Marka, ary manambara ny maha-Izy an'i Jesôsy, izay tsy azo afenina raha ny marina. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal