Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FOTOANA MAMPANGITAKITAKA MIARAKA AMIN'I JESÔSY

Daty
Talata 30 July 2024

Vakio ny Mar. 5:21-24. Inona no tena mampiavaka an'i Jairo?

Tsy dia mifandray tsara amin'i Jesôsy ireo mpitondra fivavahana tamin'izany andro izany, tahaka an'i Jairo (jereo ny Mar. 1:22; Mar. 3:2,6; Lio. 13:14). Koa azo lazaina fa namoy fo tokoa i Jairo. Maneho izany ny niankohofany teo an-tongotr'i Jesôsy. Ny fangatahany dia toy izay ho nataon'ny ray na ny reny rehetra, izay efa ho faty ny zanany. Kanefa nino izy fa afaka hanampy azy i Jesôsy. Dia nandeha niaraka tamin'ity raim-pianakaviana ity ho any an-tranony i Jesôsy, tsy niloa-bava.

Vakio ny Mar. 5:25-34. Inona no nampiato ilay dia ho any an-tranon'i Jairo?

Tantara iray hafa mahonena no nanapaka tampoka ny fizotr'ilay tantara — nisy vehivavy anankiray nampahorin'ny aretina nandritra ny roa ambin'ny folo Taona. Ireo tantara roa ireo, dia ny an'i Jairo sy ny an'ity vehivavy ity, no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) faharoa ao amin'ny bokin'i Marka (jereo ny Mar 3:20-35, izay nodinihintsika tao amin'ny lesona 3). Samy nanatona an'i Jesôsy, nila vonjy taminy, ireo olona roa samy hafa tanteraka ireo, dia i Jairo sy ilay vehivavy.

Avy tao ivohon'i Jesôsy ilay vehivavy no nikasika ny lambany, ary avy hatrany dia sitrana niaraka tamin'izay. Saingy nijanona i Jesôsy ary nanontany hoe: "Iza izany nanendry ny lambako izany?"

Sitrana tampoka teo ilay vehivavy izay narary mafy ela. Natahotra anefa izy andrao nahatezitra an'i Jesôsy ny zava-nitranga. Nampivarahontsana tanteraka azy izany. Kanefa i Jesôsy dia tsy naniry hanasitrana ny vatany ihany, fa hanasitrana ny fanahiny koa.

Dia miverina amin'i Jairo ny tantara (jereo ny Mar. 5:35-43). Fotoana mampangitakitaka koa ity ho an'ilay mpanapaka ny synagoga. Tsy nisy navelan'i Jesôsy hanaraka Azy sy ny ray aman-drenin'ilay zaza afa-tsy I Petera sy I Jakôba ary i Jaona. "Tsy maty razazavavy, fa matory" hoy i Jesôsy. Noroahin'i Jesôsy hivoaka ny trano ireo olona nitabataba sy nitomany ka niditra tao amin'ilay efitra nandrian'ilay zazavavy efa maty izy. Noraisiny ny tanan'ilay zazavavy ka hoy lzy: "Talita komy". Nadikan'i Marka ireo teny ireo hoe: "Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna."Raha ny marina dia midika hoe: "zanak'ondry" ny teny hoe "Talita", izay anarana mamy fiantsoana ny ankizy ao an-tokantrano, araka izany. Ny nandraran'i Jesôsy azy mba tsy hilazalaza ny zava-nitranga ho fantatr'olona dia mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'ny Marka, ary manambara ny maha-Izy an'i Jesôsy, izay tsy azo afenina raha ny marina. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal