Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZAY MIVOAKA AVY AO ANATIN'NY OLONA

Daty
Sabotsy 03 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 7; Isa. 29:13; Eks. 20:12; Mar. 8:11-21. 

Tsianjery: "Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy." - Mar. 7:15. 

Ny Mar. 7 sy ireo andininy voalohany amin'ny Mar. 8 no hianarantsika mandritra ity herinandro ity. Manetsika adihevitra i Jesôsy ao amin'ny Mar. 7 noho ny tsy fanarahany ny Iovantsofina sy ny fomba fanao ara-pivavahana. Ny fanaovany izany anefa dia maneho amin'ny fomba manaitra ny fanohanany ireo zavatra manan-danja ho an'ny fiainana kristianina ankehitriny.

Rehefa izay dia nanao ankamantatra Izy, izay manoka- baravarana ho amin'ny fahatakarana marina momba ny finoana. 

Taorian'izay no nankanesany tany Tyro sy Sidôna ary nihaonany tamin'ny vehivavy iray izay hany niady hevitra Taminy ao amin'ny filazantsara ka naharesy lahatra Azy. Tsy mahazatra ny fomba nihaonan'i Jesôsy tamin'io vehivavy io; nisy hafatra miafina izay takatr'ilay vehivavy tao anatin'izany fifampiresahana izany, ary noho ny finoany an'i Jesôsy dia nomeny azy izay nangatahiny.

Fahamarinana manan-danja no ambaran'ny Mar. 7 amin'ny alalan'ny trangam-panasitranana iray hafa: na dia mahatalanjona manao ahoana aza ny fahagagana dia tsy ampy hanokatra ny fo handray ny fahamarinana izany matetika. Inona moa no hoentin'ny fahagagana marobe ho an'ireo mpitondra fivavahana izay efa nanapa-kevitra rahateo ny handà an'i Jesôsy?

Dinihin'ny lesona ny hevitry ny mofo amin'ny maha-tandindon'ny fampianarana sy ny fomban-drazana izany, ao amin'ny Mar. 8. 

Lesona manan-danja no hita ao amin'ireo tantara ireo, mikasika ny hevitry ny fiainana ara-pivavahana sy ny fombafombam-pivavahana. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal