Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao ampo ny fanjakan’Andriamanitra

Daty
Alakamisy 01 August 2024

« Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo. » – Lio. 17:21. 

Mofon’aina:
Ratsy toetra sady nampahory ny fanjakana tamin'ny fahavelon' i Jesôsy; nisy fanaovan-dratsy nihoapampana hatraiza hatraiza,  fanaovana an-keriny, tsy fandeferana, ary fahasiahana sy fanosihosena. Tsy niezaka ny hanao fanavaozana ara-panjakana anefa ny Mpamonjy. Tsy namely izay fanaovan-dratsy teo amin'ny firenena Izy, na nanameloka ny fahavalom-pirenena. Tsy nisalovana tamin'ny fahefana na ny fitondran'ireo teo amin'ny fanjakana Izy. Ilay ohatra ho antsika dia nihatakataka tamin'ny fanjakana eto an-tany. Tsy hoe satria tsy nampiraika Azy ny fahorian' ny olona, fa satria tsy eo amin'izay mety ho vitan'ny olombelona ivelambelany fotsiny ny fanafody. Mba hahombiazan'ny fanafody, dia tsy maintsy mahatratra ny olombelona tsirairay izany, ka manavao ny fo.

 Nisy Fariseo nanatona an'i Jesôsy nanontany hoe: "Rahoviana no ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra" – Lio. 17:20. Telo taona mahery lasa izay no nanomezan'i Jaona mpanao batisa ny hafatra tahaka ny antson'ny trompetra izay nanakoako nanerana ny tany hoe: "Akaiky ny fanjakan'ny lanitra" – Mat. 3:2. Nefa tsy nahita famantarana ny amin'ny fanorenana ny fanjakana ihany ireto Fariseo ireto. (...)

 Namaly i Jesôsy ka nanao hoe: "Tsy misehoseho ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny olona tsy hanao hoe: Indro ety na ery fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra, dia ao anatinareo." Manomboka ao amin'ny fo ny fanjakan'Andriamanitra. Aza mijery etsy na eroa hahita fanehoana ny hery ara-nofo mba hanamarihana ny fiaviany.

Tsy manambara Azy ho Mesia fotsiny ny asan'i Kristy, fa maneho koa ny fomba hanorenana ny fanjakany (...), dia amin'ny alalan'ny Teniny feno hatsaram-panahy, avy amin'ny tsindrimandry, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina ao anaty, ary amin'ny alalan'ny firaisan'ny fanahy Aminy Izay fiainana. Ny fisehoan'ny heriny lehibe indrindra dia eo amin'ny toetry ny olombelona manjary manana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin' i Kristy. (...)

 Tamin'ny nanomezany ny Zanany ho an'izao tontolo izao, Andriamanitra dia nanolotra harena tsy mety ho levona ho an'ny olombelona. Raha ampitahaina amin'izany harena izany ny fananana nangonin'ny olona hatramin'ny nanorenana an'izao tontolo izao, dia ho tsinontsinona ihany. Tonga teto an-tany i Kristy nijoro teo anivon'ny taranak'olombelona mitondra ny vesatry ny fitiavana voangona mandritra ny mandrakizay. Io no harena horaisintsika, amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy, ka hasehontsika sy hozaraintsika. – GAG, t. 16.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal