Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahaka ny masirasira

Daty
Zoma 02 August 2024

 "Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra." – Mat. 13:33. 

Mofon’aina:
Tao amin'ny fanoharana nataon'ny Mpamonjy, ny masirasira dia nampiasainy hanehoana ny fanjakan'ny lanitra. Maneho an-tsary ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra mamelombelona sy manavao izany. (...)

 Ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy maintsy raisin'ny mpanota alohan'ny hahatonga azy ho mendrika ny fanjakan'ny voninahitra. Ny fahalalana sy ny fanabeazana rehetra azon'izao tontolo izao omena dia tsy hahomby eo amin'ny fanovana ny zanaky ny fahotana efa simba ho tonga zanaky ny lanitra. Tsy maintsy ho avy amin'Andriamanitra ny hery manavao. (...) Tahaka ny masirasira miharo amin'ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety ivelany, no fiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra hanova ny fiainana amin'ny fanavaozana ny fo. (...) 

Ny masirasira voafina ao amin'ny koba dia miasa amin'ny fomba tsy hita maso hampiakatra ny vongana manontolo; dia toy izany koa ny masirasiran'ny fahamarinana, miasa mangina sy miafina ary tsy mijanona izy mba hanova fanahy. Mihamalefaka sy voafehy ny fironana ara-nofo. Fisainana vaovao, fahatsapana vaovao, ainga vaovao no tafaorina. Faneva vaovaon'ny toetra amam-panahy no voatsangana, dia ny fiainan'i Kristy. Voaova ny saina, voahetsika ireo manao zavatra hifantoka ho amin'ny sori-dalana vaovao. (...) Mifoha ny feon'ny fieritreretana. (...) 

Ny fon' izay mandray ny fahasoavan'ny lanitra dia ho feno fitiavana an'Andriamanitra sy an' ireo nanoloran'i Kristy ny ainy. (...) Malemy fanahy sy malina izy, manetry tena izy momba ny fiheverany ny tenany, nefa dia feno fanantenana matoky mandrakariva ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra. (...)

Tokony hifehy ny toe-po sy ny feo ny fahasoavan'i Kristy. Ho hita ny asany eo amin'ny fanajana sy ny fomba fijery feno fitiavana asehony amin'ny rahalahiny, ary amin'ny teny malefaka feno fitiavana sy mampahery. Tsapa ny fanatrehan'ny anjely ao an-tokantrano. Ny fiainana dia mamoaka fofo-manitra izay miakatra any amin'Andriamanitra ho toy ny fofon'ny ditin-kazo manitra masina. Miseho amin'ny fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahy sy fandeferana ary fahari-po ny fitiavana. Miova ny endrika. Mamirapiratra eo amin'ny endrik'ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny i Kristy mitoetra ao am-po. (...). Rehefa tanteraka ireo fanovana ireo, dia velon-kira, feno hobim-pifaliana sy fahasambarana ny anjely, ary Andriamanitra sy i Kristy dia ravoravo noho ireo fanahy voavolavola araka ny fitoviana amin'Andriamanitra. – GAG, t. 18. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal