Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amintsika Andriamanitra 

Daty
Alahady 04 August 2024

"(...) Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." — Mat. 1:23. 

Mofon’aina:
Hatramin 'ny andro fahagola dia efa iray tamin'ny Ray i Jesôsy Kristy Tompo; " Endrik 'Andriamanitra Izy" tamin'izany, endriky ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany, `famirapiratan' ny voninahiny". Hampiseho io voninahitra io no nahatongavany teto amin'izao tontolo izao misy antsika. Tonga teto amin'ity tany nohamaizinin’ny  fahotana ity Izy mba haneho ny fahazavan'ny fitiavan'Andriamanitra, mba ho "amintsika Andriamanitra". (...)

Ity izao tontolo izao kely ity no boky fianaran'izao rehetra izao. Ny fikasan' Andriamanitra mahagaga ny amin'ny fahasoavana, ny zava-miafin'ny fitiavana manavotra no lohahevitra "tian'ny anjely hodinihina", ary hianarany mandritra ny fotoana tsy manam-pahataperana. Ny voavotra sy ireo voary tsy tratry ny fahalavoana dia samy hahita "siansa" ho azy sy tonon-kira hoventesiny ao amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Ho hita fa ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesôsy dia voninahitry ny fitiavana manao sorona ny tenany (...); fa ao am-pon'Andriamanitra ny loharanon'ny fitiavana "tsy mitady ny azy". (…)

 Azon'i Jesôsy natao ny nijanona teo anilan'ny Ray. Azony natao ny nitahiry ny voninahitry ny lanitra, sy ny fankalazan'ny anjely. Nefa nifidy ny namerina ny tehim-panjakana teo am-pelatanan'ny Ray Izy (...) mba hahazoany mitondra fahazavana ho an'izay rakotry ny haizina sy fiainana ho an'izay mila ho faty. (...)

 Efa naseho mialoha tamin'ny alalan'ny aloka sy ny tandindona io fikasana lehibe io. Ilay roimemy nirehitra, izay nisehoan'i Kristy tamin'i Mosesy, dia nanambara an'Andriamanitra. (...) Nanarona ny voninahiny tao amin'ny tandindona ambany indrindra Ilay Andriamanitra be famindrampo, mba hahazoan'i Mosesy mibanjina izany nefa ho velona. Toy izany koa, tao amin'ilay andri-rahona nony andro sy ny andri-afo nony alina, no nitenenan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely, ka nanehoany ny sitrapony tamin'ny olombelona, ary nizarany ny fahasoavany taminy. Nampileferina ny voninahitr'Andriamanitra ary nosaronana ny fiandrianany, mba hahazoan'ny maso kely herin'ny olombelona voafetra mibanjina izany. Toy izany koa no nahatongavan' i Kristy tamin'ny "tenan 'ny fietren-tenantsika" - Fil. 3:21, "nanam-pitoviana tamin'ny olona".(...)Nosaronana ny voninahiny, nafenina ny fahalehibeazany sy ny fiandrianany mba hahazoany manatona akaiky ny olona malahelo sy alaim-panahy. — GAG, t. 45. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal