Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Natsangana ho zanakalahy sy zanakavavy

Daty
Alatsinainy 05 August 2024

 "Rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan’anaka amin 'ny alalan Jesôsy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. " —Efes. 1:5,6. 

Mofon’aina:
Talohan'ny nanorenana izao tontolo izao no natao ny fanekena fa izay rehetra mankatò, izay rehetra tonga masina sady tsy manan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavany lehibe, noho ny fandraisany izany fahasoavana izany, dia ho tonga zanak'Andriamanitra.

Ny fahasoavana no nahazoan-tsika ny zavatra rehetra, ny fahasoavana maimaimpoana avy amin' Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny fanekena no nanendry ny fananganana antsika ho zanak' Andriamanitra. Ny fahasoavana ao amin'ny Mpamonjy no nanatanteraka ny fanavotana antsika, sy ny fanavaozana antsika ary ny fanandratana antsika ho mpiara-mandova amin' i Kristy.

Raha mino tokoa isika fa Azy amin'ny fananganana anaka, dia mety hanandrana ny fiainan'ny lanitra dieny ety.(...) Akaiky Azy isika, ary azontsika atao ny manana fiombonana mamy Aminy. Hafa ny fijerintsika ny famindrampony sy ny fahamoram-panahiny, ary ny fontsika dia vaky sy torotoron'ny fitiavana izay omena antsika. Tsapantsika fa mitoetra ao amin'ny fanahintsika i Kristy. Mitoetra ao Aminy isika, ary mahatsapa ho toy ny ao an-trano fonenantsika rehefa miaraka Aminy. (...) Tsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra, ary dia mitsahatra ao amin'ny fitiavany isika. Tsy misy teny mahalaza izany; mihoatra ny fahalalana izany. Iray amin'i Kristy isika, ny fiainantsika miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. Manana toky isika fa raha hiseho i Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho Aminy koa amin'ny voninahitra isika. Azontsika antoka tokoa fa afaka miantso an'Andriamanitra hoe Raintsika isika. (...)

 Ny fitiavana ny olona no fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra eto an-tany. Hametraka izany fitiavana izany ao anatintsika, hahatonga antsika ho ankohonana iray, no nahatongavan' Ilay Mpanjakan'ny voninahitra ho olombelona ka ho iray amintsika. Ary rehefa tanteraka ny teniny farany manao hoe: "Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo" — Jao. 5:12, rehefa tia izao tontolo izao toy ny nitiavany azy isika, dia tanteraka izany ny iraka nampanaovina Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika. — GAG, t. 54. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal