Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao amin'ny Efitra masina indrindra

Daty
Alarobia 07 August 2024

"Jehôvah dia ao amin’ny  tempoliny masina; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!" — Hab. 2:20. 

Mofon’aina:
Nahita seza fiandrianana aho, ary ny Ray sy ny Zanaka no nipetraka teo amboniny. Nodinihiko ny endrik'i Jesôsy ary talanjona aho nahita ny hatsaran-tarehiny. Tsy afaka nahita ny endriky ny Ray aho satria nisy rahona mazava be voninahitra nanarona Azy. Nanontaniako i Jesôsy raha mitovy endrika Aminy koa ny Ray. Dia nanaiky Izy, kanefa tsy azoko natao ny nibanjina Azy satria hoy Izy: "raha vantany vao mandinika ny voninahitry ny tavany ianao, na indray mandeha aza, dia ho ringana tokoa." (...)

Hitako ny Ray nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianana, nitaingina kalesy afo, niditra tao amin'ny efitra masina indrindra, ary nipetraka. (...) Avy eo dia nisy kalesy rahona nanana kodiarana afo sy voahodidin'ny anjely nanatona ny toerana nisy an'i Jesôsy. Niditra tao amin'ilay kalesy i Jesôsy ary nentina ho ao amin'ilay efitra masina indrindra izay nisy ny Ray. Nobanjiniko teo i Jesôsy, Ilay Mpisoronabe lehibe, nijoro teo anatrehan'ny Ray.

Nisy kerobima tsara tarehy nijoro teo amin'ny andaniny roan'ny fiaran'ny fanekena, ireo elany nivelatra teo amboniny, ka ny tendrony dia nifampikasoka teo ambonin'ny lohan'i Jesôsy raha nijoro teo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana Izy. Nifampitodika ireo kerobima roa ireo, ary ny tavan'izy ireo niondrika teo amin'ny fiaran'ny fanekena, nisolo tena ny tafiky ny anjely izay mibanjina amim-pahalianana ny lalàn'Andriamanitra. Nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra teo anelanelan'ireo kerobima roa, ary rehefa tonga eo amin'i Jesôsy ny vavaka ataon'ireo olo-masina amim-pinoana, ka entin'i Jesôsy eo anatrehan'ny Ray, dia misy setroka mani-pofona misandratra avy eo amin'ilay fandoroana ditin-kazo, miloko maro mahafinaritra indrindra. Nisy voninahitra mazava mahajambena teo ambonin'ilay toerana nijoroan'i Jesôsy (...).

Mifona ho antsika eo anatrehan'ny Ray, eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana, Ilay Tompontsika nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana. Azontsika italahoana famelan-keloka, fanamarinana, fahamasinana, ny sorona nataony ho fanavotana antsika. Ilay Zanak'ondry voavono no hany fanantenana ho antsika. Miandrandra mijery Azy ny finoantsika, mamikitra Aminy Izay mahavonjy antsika tanteraka, Ilay ankasitrahan'ny Ray ny hanitry ny fanatitra nateriny indray mandeha. — GAG, t. 71. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal