Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Faneken’Andriamanitra mandrakizay

Daty
Alatsinainy 12 August 2024

« Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby. » — Sal. 105:8. 

Mofon’aina:
Mitana ny teny fikasana rehetra efa nomeny Andriamanitra. Ataovy an-tanana ny Baibolinao ka lazao hoe: "Efa nanao araka ny Teninao aho. Ity ny teny fikasanao: `Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo.' — Mat: 7:7". (...) 

Ny avana manodidina ny seza fiandrianana dia toky fa marina Andriamanitra, fa tsy misy eo Aminy fiovaovana, na aloky ny fiodinana. Nanota taminy isika, ka tsy mendrika ny fankasitrahany; nefa Izy mihitsy no nametraka teo imolotsika ity fangatahana mampihetsi-po indrindra ity: "Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao tsinontsinona ny seza fiandrianan 'ny voninahitrao; tsarovy, ka aza tsoahina ny fanekenao taminay." - Jer. 14:21. Rehefa manatona Azy isika miaiky ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahotantsika, dia mihaino ny fitarainantsika Izy. Nanao antoka ny voninahitry ny seza fiandrianany ho fanatanterahana ny teniny amintsika Izy.

Izay rehetra manolo-tena ho amin' ny fanompoana ny Tompo, ka mahafoy ny zavatra rehetra, dia omens hery hahazoany vokatra tsy hay tombanana. Efa nanao fanekena mandrakizay ny Tompo Andriamanitra fa hanampy hery sy fahasoavana ho an' izay rehetra nohamasinin'ny fankatoavana ny fahamarinana. (...) 

Tombontsoan'ny Kristianina rehetra ny mivavaka toy ny nataon'i Nehemia (jereo ny Neh. 1 sy 2) amin'ny fotoana ilana izany ka toa tsy misy fomba hafa azo atao. Afaka manandratra vavaka ho fangatahana ny fitarihan'Andriamanitra ny mpiasa maro erehina ao anatin'ny rotoroton'ny fiainana, ireo izay voahodidin'ny olana sy mila ho safotry ny fahaverezan-kevitra. (...) Amin'ny fotoana isehoan'ny loza tampoka, ny fo dia afaka miantso vonjy amin'Ilay efa nanome toky fa ho avy hanampy ny olony mahatoky sy mino, na oviana na oviana no iantsoan'izy ireo Azy. Ary na aiza na aiza no misy azy, na amin'ny endri-javatra manao ahoana na manao ahoana, na torovan'alahelo, na ketraka noho ny ahiahy, na tafihin'ny fakam-panahy, dia hahita antoka sy fiarovana ary ny fampaherezana izy ireo ao amin'Ilay fitiavana tsy mety levona sy ny herin'Andriamanitra Izay tsy mivadika amin'ny teny nomeny. —GAG, t. 157. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal