Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Irery

Daty
Talata 13 August 2024

"Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza." — Isa. 63:3. 

Mofon’aina:
Nandritra ny fahazazany, ny fahatanorany sy ny naha-lehibe Azy dia nanirery i JesOsy. Tamim-pahadiovana sy toetra mahatoky no nanosihoseny ny famiazam-boaloboka irery, fa tsy mba nisy niaraka taminy ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza. Nitondra ny andraikitra mavesatra sy tsy zakan'ny aina ho famonjena ny olona Izy. Fantany fa raha tsy misy fiovana hentitra eo amin'ny foto-kevitra ijoroana sy ny zava-kendren'ny taranak'olombelona, dia ho very ny rehetra. (... ) 

Tsy takatry ny reniny sy ny rahalahiny ny asa nanirahana Azy. Na dia ny mpianany aza tsy nahafantatra Azy. Nitoetra teo amin'ny fahazavana mandrakizay Izy, tamin'ny maha-iray Azy amin' Andriamanitra, fa ny fiainany teto an-tany kosa dia tsy maintsy holaniny amin'ny maha-manirery Azy (...). Tsy maintsy mahatsapa ny henatry ny fahotana Ilay tsy manana ota. Tsy maintsy mivelona eo afovoan'ny adilahy Ilay tia fiadanana, tsy maintsy mitoetra eo amin'ny lainga Hay marina, eo amin'ny fahalotoana sy eo amin'ny mahavoafady Hay fahadiovana. Ny fahotana rehetra, ny tsy fifanarahana rehetra, ny filana mandoto rehetra izay nentin'ny fandikan-dalana, dia fahoriana ho an'ny saina amam-panahiny. 

Izy irery no tsy maintsy mizotra amin' flay lalana; Izy irery no tsy maintsy mitondra ny enta-mavesatra. Izy Izay efa nandao ny voninahiny, ka nanaiky ny fahalemen'ny taranak'olombelona, Izy no tsy maintsy nanankinana ny fanavotana an'izao tontolo izao. Hitany sy tsapany izany rehetra izany, nefa nitoetra tsy azo nohozongozonina ny fikasany. Niankina tamin'ny sandriny ny famonjena ny taranaka lavo, ka natsotrany ny tanany hamikitra amin'ny tanan'Ilay Fitiavana mahefa ny zavatra rehetra. (...)

Vitsy ihany anefa no tena mahatakatra ka afaka mankasitraka izay rehetra nataon'i Kristy ho azy. Raha takatr'izy ireo tokoa izany dia hiseho ny fitiavana lehibe tahaka ny an'i Maria (Mat. 26:6-13). (...) Haidina tsy misy fameperana ny menaka manitra sarobidy (...). Tsy hisy zavatra lafo vidy loatra ka tsy azo omena an'i Kristy; tsy hisy fandavan-tena na fahafoizan-tena lehibe loatra ka tsy azo iaretana noho ny fitiavana Azy. — GAG, t. 163. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal