Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpananatra tahaka an’i Kristy

Daty
Zoma 16 August 2024

 "Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra,- fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho ad, aminareo lzy." Jao. 16:7. 

Mofon’aina:
Ny Mpananatra izay nampanan-tenain'i Kristy fa hirahiny aorian'ny hiakarany any an-danitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra Telo Izay fray ao anatin'ny fahafenoany, izay hampiharihary ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ireo rehetra mandray sy mino an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy ny tenany manokana Azy.

Na aiza na aiza misy ny mpanompon' Andriamanitra voahosotra, dia mitoetra eo anilany ny Fanahy Masina. Ny teny nambara tamin'ireo mpianatra dia ho antsika koa. (...)

Tsy misy Mpananatra tahaka an'i Kristy, Izay malemy fanahy sy marina. Mandona ny fony ny fahatsapana ny fahoriantsika. (...) Noho ny toe-java-mitranga dia mety ho tafasaraka amin'ny namantsika isika (...). Na dia mahatoky aza ny fitiavan'ireny namana ireny dia mety tsy ho afaka hanaporofo izany izy (...). Kanefa tsy misy toe-javatra na elanelana mahasaraka antsika amin'Ilay Mpananatra avy any an-danitra. Eo mandrakariva Izy na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, Izy Ilay nomena ho solon'i Kristy, Ilay miasa eo amin'ny toerany. Eo ankavanantsika mandrakarika Izy, manao teny mamy manamaivana ny fahoriana, mampionona, manohana, mihazona, sy mampahery. Ny herin'ny Fanahy Masina dia ny fiainan' Kristy ao amin'ny fanahy. Miasa ao amin'izay rehetra mandray an'i Kristy sy amin'ny alalany ny Fanahy. Izay mahalala fa mitoetra ao anatiny ny Fanahy dia hitondra ny vokany — fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana. 

Mitoetra mandrakariva ao amin'ireo izay mikatsaka ny fahatanterahan'ny toetra kristianina ny Fanahy Masina. Izy no manome fisainana madio, foto-kevitra velona sy miasa, izay manohana ireo fanahy mitolona sy mino, isaky ny tojo fotoan-tsarotra sy fakam-panahy izy ireo. Ny Fanahy Masina no manohana ny mpino eo anivon'ny fankahalan'izao tontolo izao, eo anatrehan'ny tsy fankasitrahan'ny havan-tiana, manoloana ny fahadisoam-panantenana, ao anatin'ny fahatsapana fa feno tsy fahatanterahana sy fahadisoana ny fiainany. Azo antoka ny fandresena ho an'izay miantehitra amin'ny fahadiovana tsy manam-paharoa sy ny fahatanterahan'i Kristy, sy mibanjina Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika. - GAG, t. 195. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal