Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery manadio sy mamelona

Daty
Sabotsy 17 August 2024

 "Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko." - Sal. 51:10.

Mofon’aina:
Manadio ny fo ny Tompo, toy ny rehefa avela hifamezivezy ao amin'ny efitrano iray ny rivotra. Tsy hoe manidy varavarana sy varavarankely isika ka avy eo manipy fanafody simika hanadio ny ao anatiny, fa vohantsika midanadana ireo mba hahafahan'ny rivo-piainan'ny lanitra miditra, mifamoivoy ary manadio (...). Tsy maintsy sokafana manandrify ny lanitra ny varavarankelin'ny fahataitairana sy ny fihetseham-po, ary avoaka any ivelany ny vovoky ny fitiavan-tena sy ny fitiavana an'izao tontolo izao. Aoka hamafa ny efitrefitra rehetra ao amin'ny saina ny fahasoavan'Andriamanitra, ka ireo lohahevitry ny lanitra no tsy maintsy dinihiny, ary ny singa ara-nofo tsirairay dia mila ny Fanahy Masina hanadio sy hamelona azy.

Tsy ho osa ara-pitondran-tena izay miaina araka ny foto-kevitry ny fivavahana ara-Baiboly. (...) Tsy misy na inona na inona mahababo ny fihetseham-po, sy mahakasika ny antony manosika ny asan'ny olona hatrany amin'ny ati-fanahiny lalina, ary manana hery manova fiainana sy mampiorina tsara ny toetra, toy ny fivavahan' i Kristy. (...) 

Ny fiangonana no tena ifantohan'ny fitiavan' i Kristy sy ny fikarakarany. Haneho ny toetrany amin'ny alalan'ny mambran'ny fiangonana Izy raha avelan'izy ireo. Hoy Izy aminy: "Hianareo no fahazavan 'izao tontolo izao (...)" — Mat. 5:14. Ireo izay miara-mandeha sy miresaka amin' Andriamanitra no manana ny hamoram-panahin'i Kristy. Hita eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fandeferana, ny fahalemem-panahy, ny fifehezan-tena, ary ny zotom-po marina. Eo am-pizoran' izy ireo ho any an-danitra dia miala avokoa ireo melomeloka sy kitoantoana eo amin'ny toetrany ka miseho ny fahamasinana. Miasa eo amin'ny fanahy sy ny fo ny Fanahy Masina feno fahasoavana sy mahery.

Hovelomina, hodiovina, hotarihina, ary hofehezin'ny Fanahy Masina ny fo izay onenan'i Jesôsy , ary ny olombelona kosa hanao ny ezaka rehetra hampifandrindra ny toetrany amin'Andriamanitra. Hohalaviriny izay rehetra mifanohitra amin'ny sitrapo sy ny fisainan'Andriamanitra voambara. —GAG, t. 206. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal