Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana avy any an-danitra

Daty
Alakamisy 22 August 2024

 "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo (...)." - Lio. 10:19. 

Mofon’aina:
Lasan-ko babon'i Satana ara-dalàna ny olombelona lavo. Ny hamonjy azy amin'ny herin' io fahavalo lehibe io no asa nanirahana an'i Kristy. Manjary fironana ao anatin'ny olona ny manaraka ny tolo-tsaina avy amin'i Satana, ary tsy hainy toherina io fahavalo tsy mifaditrovana io raha tsy mitoetra ao anatiny i Kristy, Ilay Mpiady mahery, mitarika ny faniriany sy manome hery azy. Andriamanitra irery ihany no mahay mametra ny herin' i Satana. (...) Fantatr'i Satana tsara, mihoatra ny ahafantaran'ny olona izany, ny hery lehibe mety hananan'ny olona handresena azy raha ao amin'i Kristy ny heriny. Na ny mpino malemy indrindran'ny fahamarinana aza, rehefa mitalaho fanampiana amim-panetren-tena amin'Ilay Mpiady mahery, ka miantehitra tanteraka amin'i Kristy, dia afaka handresy amim-pahombiazana an'i Satana sy ny tafiny rehetra. (...)

Hamory ny anjeliny rehetra i Satana hanohitra ny fandrosoan'ny fanahy, na dia fanahy iray monja aza, ary raha azony atao dia handrombaka azy eo an-tanan'i Kristy izy. (...) Saingy raha mitozo izany fanahy tsy manan-kery sy tandindomin-doza izany, ka miantoraka amin'ny fahamendrehan'ny ran'i Kristy, dia hihaino ny vavaka mafana ataony amim-pinoana ny Mpamonjy ary haniraka anjely mahery maro hanafaka azy. (...) Mangovitra i Satana sy ny tafiny manontolo eo am-pandrenesana ny vavaka mafana ataon'ny olona.

Tsy inona fa ny fangorahan'i Kristy be fitiavana, ny fahasoavany, sy ny heriny tsitoha, no mahay manome hery antsika hampitakemotra ity fahavalo be kiry ity, sy hahafehy ny fanoheran'ny fontsika. Inona no herintsika? Ny fifaliana avy amin'ny Tompo. Aoka hameno ny fontsika ny fitiavan'i Kristy, dia ho vonona isika handray ilay hery efa voaomana ho antsika. (...)

 Ny mpikatsaka ny fahamarinana, izay mibanjinana an'i Kristy mba hanahafany Azy, dia mahita ny fahatanterahan'ny foto-kevitry ny lalàn' Andriamanitra, ary manjary tsy mety ho afa-po na amin' inona na amin' inona afa-tsy amin'ny fahatanterahana ihany. (...) Tsy maintsy hisy ady atao amin'ireo toetra nambolen' i Satana (...). Fantany anefa fa manana hery mahavonjy ny Mpanavotra, izay hampandresy azy ao anatin'ny ady. — GAG, t. 239.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal