Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Amin’ny fahalemem-panahy

Daty
Alahady 25 August 2024

"Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana (.)." — Kôl. 3:12. 

Mofon’aina:
Aoka ho eo amin'ny molotrao ny lalàn'ny hatsaram-panahy ary ho ao am-ponao ny ilon'ny fahasoavana. Hitondra vokatra mahagaga izany. Hanjary malefaka ianao, hihevitra sy hanaja ny hafa. Hilainao avokoa ireo toetra mahate-ho tia rehetra ireo. Tsy maintsy raisina sy entinao eo amin'ny toetrao ny Fanahy Masina ka ho tahaka ny afo masina mampakatra fofo-manitra ho eo amin'Andriamanitra izany, tsy avy amin'ny molotra mpanameloka fa tahaka ny mpanasitrana ny fanahin'ny olona kosa. Ho hita eny amin'ny endrikao ny endrik'Andriamanitra (...). Amin'ny fibanjinanao ny toetr 'i Kristy no hahatonga anao hitovy Aminy. Ny fahasoavan'i Kristy irery ihany no afaka hanova ny fonao ka ho hita taratra eny aminao ny endrik'i Jesôsy Tompo. Miantso antsika Andriamanitra mba ho tahaka Azy, - madio sy masina ary tsy voaloto. Natao hitondra ny endrik'Andriamanitra isika. (...)

Jesôsy Tompo irery no hany mpanampy antsika. Hahay hikolokolo fitiavana isika, hitaiza ny tenantsika hiteny amim-pahamoram-panahy, noho ny fahasoavany. Hiova ny fombantsika feno fangatsiahana sy henjana noho ny fahasoavany. Ho eo imolotsika ny lalàn'ny fahamoram-panahy. Izay eo ambanin'ny fiasan'ny Fanahy Masina sarobidy dia tsy hahatsapa velively fa fahalemena ny fiaraha-mitomany amin'izay mitomany sy ny fiaraha-mifaly amin'izay mifaly. Tsy maintsy mikolokolo ny fahatsaran-toetran'ny lanitra isika. Tsy maintsy ianarantsika ny atao hoe tsara fanahy amin'ny olona rehetra, sy manana faniriana marina ho tahaka ny masoandro fa tsy aloka eo amin'ny fiainan'ny hafa.

Hararaoty ny fotoana rehetra ahafahanao mitondra fahasambarana ho an'ny manodidina anao sy mizara ny fitiavanao. Ho an'ny maro izay miady mafy sy manirery, ny teny mamy, ny fihetsika maneho fangorahana, ny fankasitrahana, dia ho toy ny rano mangatsiaka amin'ny fanahy reraka (...).

Aoka ny fiainanao ho eo ambanin'ny tara-masoandron'ny fitiavan'ny Mpa-monjy, dia ho tonga fitahiana ho an' izao tontolo izao ianao. Avelao hifehy anao ny Fanahin'i Kristy. Aoka ho eo imolotrao mandrakariva ny lalàn'ny fahamoram-panahy. Ny fahari-po sy ny fiheverana ny hafa no mampiavaka ny teny sy ny asan'ireo izay nateraka indray mba hanana fiainam-baovao ao amin'i Kristy. — GAG, t. 299. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal