Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Firaisana amin’i Kristy

Daty
Talata 27 August 2024

"Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin' ny nofo hahatanteraka ny filany." - Rôm. 13:14. 

Mofon’aina:
Amin'ny fomba maro no anatanterahan'Andriamanitra ny famonjena ny olona. Amin' ny alalan'ny Teniny sy ny mpanom-pony no. itenenan'Andriamanitra amin' izy ireo, ary mandefa hafatra fampitandremana, fananarana, sy fampianarana amin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izy. Natao hanokatra ny sain'ny olona ireo fomba ireo, hampahafantatra azy ny adidiny sy ny fahotany ary ny fitahiana mety ho azony, hahatsapan'izy ireo ny tsy fahampiany ara-panahy, mba hanatonany an'i Kristy ka hitadiavany ao Aminy ny fahasoavana ilainy. (...)

Tsy maintsy misafidy an'i Kristy ho an'ny tenantsika isika, satria Izy no nifidy antsika voalohany. Tsy maintsy ananan'ny olombelona, izay tonga fahavalon'i Kristy, io firaisana Aminy io. Fianteherana tanteraka amin'i Kristy izany, izay natao hanolorana ny fo amim-pitokiana. Asa mafy izany, ary maro amin' ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy no tsy mahalala izany akory. Manaiky an'i Kristy am-bava izy ireo fa tsy manaiky Azy ho hany Mpanapaka ny fony. (...)

Mitaky ezaka ny famoizana ny sitrapon'ny tena, ny zavatra tiana na irina, ary maro no miahotra sy mitakemotra manoloana izany. Kanefa izay niova fo marina dia tsy maintsy miatrika io ady io. Tsy maintsy miady amin'ny fakam-panahy avy any ivelany sy avy ao anatiny isika. Tsy maintsy mandresy ny "izaho" isika, manombo ny fironana sy ny filan-dratsy, ary manomboka eo ny firaisan'ny fanahintsika amin'i Kristy. (...) Rehefa ananantsika io firaisana io dia tsy misy afa-tsy ny ezaka mitohy sy ny fikelezana aina no ahazoana mitahiry azy. Mampiasa ny heriny i Kristy hiarovana sy hiambenana io firaisana masina io, ary ny mpanota tsy manan-kery kosa dia tsy maintsy manao anjarany ka tsy ho sasatra, raha tsy izany dia hampisaraka azy amin'i Kristy ny herin'i Satana (...).

Ny fahaterahanao, ny lazanao, ny harenanao, ny talentanao, ny fahendrenao, ny fitiavam-bavakao, ny fitiavanao ny namanao, (...) dia tsy hahatonga ny fanahinao hifamatotra amin'i Kristy (...) raha tsy mino an'i Kristy ianao. Tsy ampy ny mino izay voalaza momba Azy fotsiny, fa ny mino Azy mihitsy. Tsy maintsy miankina tanteraka amin'ny fahasoavany mahavonjy ianao. — GAG, t. 321. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal