Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifarana ny ady

Daty
Alahady 01 September 2024

 "Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra- pahatanterak ' izy rehetra."- Mat. 5:18.

Mofon’aina:
Raha vao nanomboka ny asany i Kristy dia nifanatrika taminy i atana ka nanohitra Azy isaky ny indray mandingana (.. . )Nahafaoka zavatra maro ity fifanandrinana ity. (...) Izao no fanontaniana napetraka mahakasika izany: "Moa ve ny lalàn'Andriamanitra tsy tonga lafatra, ary tokony hovana na hofoanana? Sa tsy miova ny lalàna? Moa ve marin-toerana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra sa mila fanovana?" Tsy eo anatrehan'ireo monina ao amin'ny tanànan'Andriamanitra ihany no tokony hamaliana izany fanontaniana izany fa eo anoloan'ireo mponina rehetra any amin'ny tontolon'ny lanitra. (...)

Nanaraka ilay Zanak'Andriamanitra i Satana, nanomboka teo amin'ny fihinanam-bilona hatreny amin'ny hazo fijaliana. Tonga teo Aminy tahaka ny fifofofofon'ny rivotra ny fakam-panahy maro. Kanefa arakaraka ny nampivaivay ny fifanandrinana no nahalalany bebe kokoa ny amin'ireo fakam-panahy mamely ny olombelona sy nahatonga Azy ho voaomana tsara hamonjy izay alaim-panahy.

 Mifandanja amin'ny tombabidin'ny zavatra ho azo na ho verin'i Kristy amin'ny fahombiazany na ny fahareseny ny hamafin'ny fizahan-toetra nolalovany.

(...) Ity tontolontsika ity no saha fiadiana, saingy izao tontolo izao rehetra izay noforonin'Andriamanitra no niharan'ny vokatry ny ady. (...) Notadiavin'i Satana izay hanehoana fa niady ho an'ny fahafahan'izao rehetra izao izy. Na dia tamin'ny fotoana naha-teo amin'ny hazo fijaliana an'i Kristy aza dia tsy nihemotra ilay fahavalo (...) mba handresen-dahatra ny rehetra fa lozabe ny lalàn'Andriamanitra. Izy (Satana) mihitsy no namolavola ny drafitra sy nanomana ny teti-dratsy rehetra ary nanetsika ny saina rehetra mba hitondra fahoriana ho an'i Kristy. Izy mihitsy no niampanga an'Ilay tsy nanao afa-tsy ny tsara. (...)

Tamin' izany rehetra izany no nanefen' i Satana ny gadra vy izay hamatorana azy ihany. Ny mponin'ny lanitra manontolo no hijoro ho vavolombelon'ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny famaliana azy. (...)

Tsy ao an-tsain'ireo zavaboary mety maty eto amin'ity tany ity ihany no ampitoerana ny tsy fiovaovan'ny lalàn' Andriamanitra fa ao an-tsain'ireo mponina rehetra any an-danitra koa. (...) Feo iray no anandratan'izy ireo an'Andriamanitra ho marina sy be indrafo, (...) ary mpanao ny rariny. - TDG, t. 14. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal