Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an'ny kanosa sy ny kely hery ary ny marefo

Daty
Alarobia 04 September 2024

"Matokia an 'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana." - Sal. 37:3. 

Mofon’aina:
Matokia an'i Jehovah." Ny andro rehetra dia samy misy fahoriana, fanahiana ary fahasahiranana ao aminy avy, hany ka rehefa sendra tafahaona isika, dia vonona miaraka amin'izay hiresaka ny fahasahiranana sy ny zava-manjo antsika. Manjary tafiditra ny fahoriana sy ny tahotra be, ary (...) velon'eritreritra sy ahiahy ny olona izay mandre antsika, ka manjary mihevitra fa tsy manana Mpamonjy be indrafo sy feno fitiavana izay vonon-kihaino ny fangatahana rehetra ataontsika isika (. • .). 

Matahotra sady mihorohoro lalandava ny olona sasany. Isan'andro vaky izao izy dia hodidinin'ny zava-mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra, ary mifaly amin'ny hatsaran'ny fitondrany, nefa hamaivaniny izany fitahiana hita maso izany. Ny sainy dia miorina lalandava amin'ny zavatra tsy mahafinaritra izay atahorany ho tonga, na fahasahiranana izay mety hisy tokoa, izay na dia kely ihany aza, dia mahajamba ny masony amin'ny zavatra maro tokony hahabe fisaorana. Ny fahasahiranana izay mihatra aminy, dia tsy mba mampanatona azy an'Andriamanitra (...) fa vao mainka 
mampisaraka azy Aminy kosa, satria mainka mahatonga tsy fahatokiana sy fimonomononana aminy ireny.

 Ranadahy sy rahava:vy, tokony haneho tsy finoana tahaka izany ve isika? Nahoana moa isika no tsy hankasitraka sy haneho tsy fitokiana? Sakaizantsika i Jesôsy. Maniry ny hahasambatra antsika ny lanitra manontolo; ary mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ny tebiteby sy ny tahotsika. (...) Tsy tokony hisy toerana homena izany tsy fitokiana an'Andriamanitra izany, izay mitarika antsika hanao ho laharam-pahamehan'ny fiainana ny fiomanana ho amin'ny fahasahiranana ho avy, toy ny hoe ao amin'ny zavatry ny tany no misy ny fahasambarantsika (...).

 Angamba very hevitra amin'ny raharaha ianao, mihamaizina ny fanantenanao, ary matahotra ny fatiantoka ianao. Na izany aza, aza kivy, apetraho amin'Andriamanitra ny fanahianao (...). Mangataha fahendrena mba hanaovanao ny raharahanao araka izay mety, dia tsy hisy fatiantoka sy faharavana (...). Efa nampanantena hanampy i Jesôsy raha mety miezaka isika. - TDG, t. 42. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal