Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Kristianina be fiantrana

Daty
Alakamisy 12 September 2024

"(...) Fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy." - Jao. 14:30. 

Mofon’aina:
Nanome ohatra ny amin'ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiangonany ny Mpamonjy teo amin'ny fahazarana rehetra teo amin'ny fiainany. Ambarao amin'ny olona izany. Irin'i Kristy ny haneho ny fiangonany ho tsy misy tsiny na pentina, eo anatrehan'ny Ray.

 Feno fahantrana ny fiainan'ny Mpamonjy, hatramin' ireo taona voalohany indrindra niainany. Nolanina tamin'ny asa mafy ireo andron'ny fahazazany. (...) Matetika Izy no sasatry ny asa. Velona tao anatin'ny vanim-potoana feno faharatsiam-pitondrantena Izy nefa tsy mba voaloton'ny faharatsiana izay nanodidina Azy, tsy nandaitra taminy ny hery miasa manginan'ny toetran' ireo (...) ratsy fanahy. Teny an-tsaha sy teo anivon'ny zavaboary no nahitany fitsaharana tamin'ny asa mafy, ary koa nahitany hanina ho an'ny fiainany ara-panahy. Tsy mba ivelambelany fotsiny ny fijeriny ka nanangona fahalalana avy tamin'ireo zava-miafin'ny natiora izay nameno Azy fiadanana sy fifaliana Izy.

Nandritra ireo taona nanaovan'ny Mpamonjy asa fanompoana dia tsy nitsahatra nanara-maso Azy ireo olona fetsy sy mpihatsaravelatsihy. 

Nanara-dia Azy mandrakariva ny mpitsikilo mba handray ny teny sasany miloatra ny molony ka hampiasa izany hanamelohana Azy. (...) Nisy fotoana izay namelaran'izy ireo fandrika ho Azy ka nametrahany fanontaniana taminy. Nantenain'izy ireo tamin' izany fa ny Valinteniny no hanamelohan'ny vahoaka Azy. Kanefa ny fiezahana rehetra nataon'izy ireo dia nampiala azy teo amin'i Jesôsy tamin-kenatra; nasehon'ny valintenin' i Kristy niharihary ny tena toetry ny asan'izy ireo. Naneho herin'ny fahamarinana tamin'ireo vahoaka marobe izay nihaino ny lahatenin'ny Mpamonjy. Na ireo lehilahy izay nirahina hanara-maso miafina ny Asany aza dia voatery nanao tatitra toy izao tamin'izay naniraka azy: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany" - Jao. 7:46. (...)

Aoka ho feno fahasoavana ny resaka ataonao, satria mihaino ny teny ataonao i Kristy. Aoka hameno ny teny rehetra ataonao ny fangorahana; amin'izany no hanehoanao ny toetran'i Kristy. (...) Tokony hanana ny toetrany isika amin'ny maha-mpanara-dia Azy antsika. Ilaintsika ny mianatra isan'andro amin'ilay Mpampianatra lehibe, mba ho fenon'ny fiainana ara-panahy ny rivotra manodidina ny fanahy.- TDG, t. 143

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal