Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2025

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Ilay ampakarina tsara tarehy.

Maneho amintsika sary mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany ny Ezek. 16. Ampitahain'Andriamanitra amin'ny zaza nariana sy navelan-dreniny ho faty tany an-tsaha ny vahoaka Isiraely. Izy no nitondra izany zaza izany nody sy nanadio azy, ary rehefa lehibe ilay zazavavy dia nalainy ho vady. Sary iray lehibe maneho fanambadiana tsy dia fahita izany.

Vakio ny Ezek. 16:4-14. Manome lesona momba ny fikasan'Andriamanitra ho antsika ireo tsipirian-javatra maneho ny fanandratana ilay ampakarina; inona izany lesona izany?

Fantaro ny fahamarinana, ka ivelomy.

‘’Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao.’’ Sal. 119:11.

Mofon’aina:    
Ianaro ny Tenin’Andriamanitra, izay nataony mazava sy tsotra noho ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny hatsaram-pony. Manazava amintsika ny atao hoe mianatra ny Teny ny ao amin’ny Jao. 6. (...) Aoka ho fiainantsika isan’andro ny fahamarinany, ka ho takatsika ny zava-miafin’ny fahamasinana.

Raha te hitombo, diniho ny teny.

’’Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.’’ 2 Tim. 3:16.

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Nofo iray ihany.

Tsy misy sary an'ohatry ny Baiboly mahalaza tsara ny firaisana ety irin'Andriamanitra ananana amin'ny taranak'olombelona mihoatra noho izay momba ny fanambadiana. Matetika tokoa no ampiasana izany fanoharana izany ao amin'ireo tantaran'ny Baiboly ary aseho mazava izany ao amin'ny Apôkalipsy mba hahatakaran'ny mpianatra ny Baiboly izay tian'Andriamanitra hambara rehefa mampiasa izany ao amin'ny Teniny Izy.

Vakio ny Gen. 2:23-25 sy ny Efes. 5:29-32. Ahoana no anehoan'ny fanambadian'olombelona taratra ny firaisan'i Kristy amin'ny olona?

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 10:1-12; Gen. 12:1-9; 1 Sam. 8:4-18; Mat. 20:25-28; Apôk. 18:1-4.

Tsianjery: "Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava." - Dan. 7:14.

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - fianarana fanampiny

Vakio ny VM, toko 58: "Ny Apôkalipsy", tt. 513-516.

Ny ankamaroan'ny fivavahan'izao tontolo izao dia mianina amin'ny fanazavana hevitra; misy fiavahana lehibe kosa ny fivavahana Kristianina, izay miorina lalina amin'ny tantara. Tantaran'ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona eo amin'ny tantara manontolo ny Baiboly, ary ny fandinihantsika izany fifandraisana nandritra ny arivo taona maro izany dia mampianatra zavatra betsaka antsika momba ny toetran'Andriamanitra tsy miovaova.

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny menarana.

Lohahevitra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny fiankohofana. Antsoina hoe "dragona" ilay tompon'ny fiankohofana sandoka sy mpitaona ny olona ho amin'izany (Apôk . 13:2-4), ary tsy kisendrasendra ny amaritana azy ho menarana. Mampahatsiahy antsika mazava ny tao Edena izany, izay nitaoman'ny menarana an'i Adama sy i Eva hanaraka azy ao anatin'ny fikomiany amin'ny Mpahary.

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fahafatesana.

Azo inoana fa ny lafiny mahatsiravina indrindra amin'ny fiainana eto amin'izao tontolo izao, izay tafasaraka amin'ny Mpahary azy, dia ny fahafatesana miandry ao ambadiky ny fiainana tsirairay, vonona hamely amin'ny fotoana rehetra. Izany no "tambin'ny ota", sazy aloantsika noho ny fisarahana amin'llay Loharanon'aina tokana eto amin'izao tontolo rehetra izao, dia ny Mpahary.

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fanontanian’i Isaka : "fa aiza kosa izay ondry (…)? "

Ao amin'ilay tantara nilazana voalohany ny amin'ny fitiavana ihany, dia ao amin'ny Gen. 22, no ahitana voalohany koa ny hoe seh (teny hebreo nadika hoe: "ondry" na "zanak'ondry"). Hita mazava fa anisan'ny tandindona resahina matetika indrindra ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy ny "zanak'ondry", izay iantsoana an'i Jesôsy ao mihoatra ny in-20.

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY,FOTOTRA - mahatakatra ny fitiavan’Andriamanitra.

Ny nandovantsika toetra mpanota dia anisan'ny midika fa misy fahasimbana ny fomba fijerintsika izao tontolo izao noho ny fironantsika ho amin'ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Ny fomba fijerintsika voafetra no ahitantsika izao tontolo izao, fa tsy ny fomba fijerin'Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (mazava loatra). Azo inoana fa ny fanehoana ny hevitry ny "fitiavana" no nodisoin'ny olombelona mpanota indrindra. Ny hevitry ny fitiavana voizina ao amin'ny kolontsain'ny besinimaro dia mirona ho amin'ny fanomezana fahafaham-po ny tena manokana fa tsy ny hafa.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal