Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fahafatesana.

Daty
Alarobia 09 April 2025

Azo inoana fa ny lafiny mahatsiravina indrindra amin'ny fiainana eto amin'izao tontolo izao, izay tafasaraka amin'ny Mpahary azy, dia ny fahafatesana miandry ao ambadiky ny fiainana tsirairay, vonona hamely amin'ny fotoana rehetra. Izany no "tambin'ny ota", sazy aloantsika noho ny fisarahana amin'llay Loharanon'aina tokana eto amin'izao tontolo rehetra izao, dia ny Mpahary. Noho izany, mitana anjara lehibe ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly ny maha-zava-misy ny fahafatesana, ary indrindra koa ny vahaolana eo anatrehan'izany, izay hita ao amin'i Jesosy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

Ny filazana voalohany ny amin'ny fahafatesana ao amin'ny Baiboly sy ny nitrangan'izany voalohany dia manazava tsara io lohahevitra lehibe ao amin'ny faminaniana io, ary manampy antsika hahatakatra ny maha-ratsy indrindra ny olan'ny fahotana, sy hahafantatra ny vahaolana omen'Andriamanitra eo anatrehan'izany.

Vakio ny Gen. 2:15-17, Gen. 4:8-15, 1 Kôr. 15:15-19, sy ny Apôk . 1:18. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika izay ahitana ny filazana voalohany ny amin'ny fahafatesana sy ny nitrangan'izany voalohany - momba ny antony mahatonga ny olona andairan'ny fahafatesana, ny fomba fijerin'Andriamanitra ny fahafatesana, ary ny vahaolan'Andriamanitra ho antsika?

Fitenin'ny olona matetika rehefa misy fahafatesana ny hoe: "fiainana daholo izany". Lainga anefa io. Ny fahafatesana dia mifanohitra amin'ny fiainana; fahafoanan'ny fiainana izany; tonga tsy nasaina ny fahafatesana, ary tsy natao ho fanandramana hiainantsika eto an-tany velively. Na manjary efa fahitantsika aza ny fahafatesana, dia mbola mampitaraina mafy ny fontsika ihany ny fihaonana aminy; toy ny tsapan'ny olombelona fa tsy ara-dalana izany. Maharary antsika mandrakariva ny fahafatesana. Misy tranga sasany amin'ny fahafatesana anefa toa mampalahelo kokoa noho ny hafa, toy ny fahafatesan'ny zaza. Antenaintsika ankapobeny fa ny ray aman-dreny no tokony ho faty alohan'ny zanany, ka nanjary nekentsika ho zavatra ara-dalàna eo amin'ny fiainana izany.

Tsy araka izay anantenana azy anefa ilay fahafatesana voalohany voarakitra ao amin'ny Soratra Masina. Nianjadian'ny fahoriana lehibe i Adama sy i Eva talohan'ny fahafatesan'izy ireo, rehefa maty i Abela zanany, izay olo-marina, novonoin'i Kaina rahalahiny, izay tsy marina. Fahafatesana tsy ara-drariny tokoa io fahafatesana io.

Saintsaino ny amin'i Jesôsy Ilay marina, izay novonoin'ny olo-meloka, tahaka an'i Abela. Misy fahafatesana tsy ara-drariny mihoatra atra noho ny fahafatesan'i Kristy ve? Inona ireo teboka hafa itovian'ny fahafatesan'i Abela amin'ny fahafatesan'i Kristy? Diniho ny fomba nahafatesan'i Abela; ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny antony ananan'i Jesôsy "ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita", sy izay omen'Andriamanitra antsika ao Aminy?

Raha tsy misy vahaolana ny fahafatesana, nahoana ny fiainantsika no manjary tsy misy dikany sy tsy mahasoa na amin'inona na amin'inona? Tsy manambara amintsika ve izany fa tokony ho velom-pisaorana an'i Jesôsy isika noho izay nataony ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal