Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2025

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina

Ny sary an'ohatra momba ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny Baiboly, indrindra fa amin'ny faminaniana, dia azo andraisana fampianarana lehibe. Diniho ny tranga ahitana ny fampiasana ara-tandindona ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny faminanian'ny Baiboly, izay mifanohitra tanteraka.

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7

Naseho tamin'ny mpanjaka babilonianina iray aloha ny nofy ao amin'ny Dan. 2. Fa ny nofy ao amin'ny Dan. 7 kosa dia naseho tamin'ny mpaminany hebreo iray, izay isan'ny vahoakan'ny fanekena.

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2

Nandritra ny fahababoana tao Babilona, tamin'ny alalan'ny mpaminany Daniela no nanoritsoritan'Andriamanitra tamin'ny fomba mandresy lahatra indrindra ny amin'ny fifandraisan'ny vahoakany amin'ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao. Tsy mahaleo tena intsony ny vahoakany; mizaka ny vokatry ny safidiny izao izy ireo (ary mety handray lesona avy amin'izany koa ve?).

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra

Ny saha Edena no sekoly nianaran'ny olombelona voalohany, dia toerana izay nahazoan'izy ireo sy ny taranany nanitatra tsy nisy farany ny fahalalany momba ny Mpahary, tamin'ny alalan'ny zavaboary. "Tsy hoe zanak'Andriamanitra fotsiny ihany i Adama sy Eva," hoy i Ellen G. White manazava, "fa mpianany koa ". Nandray lesona avy tamin'llay Fahendrena tsy hita lany izy (...) tamin'llay Mpamorona azy koa.

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.

NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA 2Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 2:9-17; Dan. 2:31-35; Isa. 17:12, 13; Dan. 7:1-3; Rôm. 3:10-19; Apôk. 12:15,16; Apôk. 10:1-11.

Tsianjery: "Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho." Sal. 46:10.

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fanazavana ny jentilisa.

Ny tanjona voalohany nanorenan'Andriamanitra ny firenena Isiraely dia tsy ny hanameloka izao tontolo izao, fa ny hamonjy azy. Hita mazava fa mahatsiaro meloka ny ankamaroantsika rehefa manoloana olona iray maneho fitondran-tena marina; ary ny fisian'ny Isiraely koa dia natao hanasongadinana ny fahotana sy ny fitiavan-tenan'ny firenena manodidina azy. Mpampiharihary ny toetra marin'Andriamanitra ny mpino izay manana fiainana mifandrindra amin'Andriamanitra, ka manjary fananarana ho an'ny hafa.

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fianarana fanampiny.

Vakio ny Isa. 44:24-45:13.

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Ireo mpanapaka jentilisa.

Ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely dia maneho amin'ny endriny maro ny fifandraisany amin'ny fiangonana ao amin'ny TV. Raha ny marina, ny firenena Isiraely dia nanondro mialoha ny fahadisoan'ny fiangonana tamin'ny lafiny maro. Tsy afaka milaza tena velively ho ambony noho ny Isiraely fahiny ny Kristianina, fa mora voafitaky ny fakam-panahy toa azy ihany izy, hatramin'izao.

Vakio ny Mat. 20:25-28. Nampitandrina ny mpianany tsy hanao fahadisoana i Jesôsy teo am-panafatrafarana momba ny asan'ny fiangonana kristianina; inona izany fahadisoana izany?

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Nomena anao izay nangatahinao.

Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.

Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Ny fiantsoana an’i ABRAHAMA.

Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, samy nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).

Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.

Pagination

  • Previous page
  • 4
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal