Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

May 2025

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera

Toa saro-takarina ny momba ny toerana nisy an'i Losifera fahiny, kerôbima manaloka, toerana iray ambony izay manakaiky ny seza fiandrianan'Andriamanitra izany. Azo antoka tokoa fa ho nanampy tamin'ny fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra amin'izao rehetra izao ny fisiany, saingy nanomboka nieritreritra momba ny voninahiny manokana izy fa tsy ny an'ilay Mpamorona. Raha ny marimarina kokoa, dia nanomboka nihevitra izy fa tsy nomena ny toerana mendrika azy.

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany

Nanaraka ny fitarihan-dalana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny rahona ireo Isiraelita; niato izy ireo teo amin'ny dia lavitra nataony ho any amin'ilay Tany nampanantenaina; naoriny ny tabernakely, ary rehefa izay dia naoriny nanodidina izany ny lain'izy ireo foko telo isaky ny andaniny avy. Nidina teo amin'ny efitra masina indrindra ny fanatrehan'Andriamanitra ary nonina teo amin'ny vahoakany.

Nisy foko iray napetraka ho lohany teo amin'ireo andaniny efatry ny tabernakely. Iza ireo foko mpitarika ireo, araka ny Nom. 2?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra

Hita manerana ny Testamenta Taloha ny kerobima, na amin'ny maha-voary velona azy (Ezek. 10:8) na ireo Gen. 27 sary volamena maneho azy ireo (Eks. 25:18). Matetika no anehoana azy ireo mijoro eo anilan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, maneho ny famirapiratan'ny voninahitr Andriamanitra amin'izao rehetra izao. Natao soratry ny ambainy manoloana ny Efitra masina indrindra ny kerôbima (Eks. 26:1).

Amin'ny andro fahenina, miomàna

  "Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an 'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina." - Eks. 16:23.

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa

Raha vantany vao noroahina tao amin'ny saha ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanome ny fanantenana momba ny Mesia Andriamanitra (Gen. 3:15). Rehefa izay dia nametrahany famantarana lehibe teo amin'ireo vavahadin'i Edena: kerôbima roa niaraka tamin'ny hazavana mamirapiratra teo anelanelan'izy ireo. Tsara ny mahatsiahy fa misy fitoviana betsaka amin'ny fiaran'ny fanekena io sary io, izay maneho ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Eks. 25:18).

Vakio ny Gen. 3:21-24. Inona ny asa nampiandraiketina ny kerôbima, ary inona no anton'izany?

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho

Taona vitsivitsy lasa izay no nanapahan'ny fiangonana iray hevitra hanavao ny lakavy efa tranainy mba hanaovana efitrano fiarahana mivavaka. Nametraka jiro vaovao no nataon'izy ireo voalohany satria noheveriny fa hahatonga ilay efitra ho tsara tarehy izany. Raha vao voapetraka anefa ireo jiro, dia vao mainka niseho ny faharatsian'ilay efitrano, satria maneho ny tsy fahatomombanana ny fahazavana mamiratra.

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 6:6-8; Gen. 3:21-24; Ezek. 1:4-14; Apôk. 4:1-11; Nom. 2:3-25; Isa. 14:12-14.

Tsianjery:

"Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8

Pagination

  • Previous page
  • 9

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 8
Powered by Drupal