Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany

Daty
Alarobia 14 May 2025

Nanaraka ny fitarihan-dalana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny rahona ireo Isiraelita; niato izy ireo teo amin'ny dia lavitra nataony ho any amin'ilay Tany nampanantenaina; naoriny ny tabernakely, ary rehefa izay dia naoriny nanodidina izany ny lain'izy ireo foko telo isaky ny andaniny avy. Nidina teo amin'ny efitra masina indrindra ny fanatrehan'Andriamanitra ary nonina teo amin'ny vahoakany.

Nisy foko iray napetraka ho lohany teo amin'ireo andaniny efatry ny tabernakely. Iza ireo foko mpitarika ireo, araka ny Nom. 2?

Nom. 2:3 (Atsinanana):……………………………………………………………………………………

Nom. 2:10 (Atsimo): ……………………………………………………………………………………….

Nom. 2:18 (Andrefana):…………………………………………………………………………………..

Nom. 2:25 (Avaratra):……………………………………………………………………………………..

Mariho fa samy nanofahofa ny "fanevany" ny foko tsirairay izay napetraka ho lohany, mba hamantarana azy ireo. Tsy manoritsoritra mivantana ny zavatra hita teo amin'ny faneva tsirairay ny Soratra Masina saingy misy lovantsofina iray mahaliana, izay heverina fa miorina amin'ireo toetoetra hoenti-manoritsoritra ireo foko voalaza ao amin'ny Gen. 49 sy ny Deo. 33, mampifandray ny tsirairay amin'ireo endrika efatra amin'ireo andaniny efatra. "Araka ny lovantsofin'ireo raby, dia ny fanevan'i Joda no nahitana ny sarin'ny liona, ny an'i Robena kosa no nahitana sarin-dehilahy na lohan-dehilahy, ny fanevan'i Efraima no nitondra ny sarin'ny zanak'omby ary ny fanevan'i Dana no nahitana ny sarin'ny voromahery; mba ho hita eo amin'ireo faneva efatra ireo ny zava-manana aina efatra mitambatra ao amin'ny endriky ny kerôbima izay nosoritsoritan'i Ezekiela." Carl Friedrich Keil sy Franz Delitzch, Commentary on the Old Testament, b. 1 (Peabody, MA: Hendrickson, 2011), t. 660.

Azo heverina fa mety ho be loatra ny fanazavan-kevitra avy amin'ny lovan-tsofina, nefa mahaliana hatrany ny fampitahana izany lovantsofina izany amin'ny fanoritsoritan'ny Baiboly an'i Jerosalema Vaovao. Misy hevitra mahaliana hita avy amin'izany: misy vavahady izay maneho foko telo eo amin'ny andaniny efatra amin'ilay tanàna (Apôk. 21:12,13).

Teboka iray manan-danja no iraisan'ireo fanoritsoritana ny tobin'ny Isiraely sy Jerosalema Vaovao: irin'Andriamanitra ny hanintona ny taranak'olombelona hanakaiky ny seza fiandrianany. Ampianarin'ny bokin'ny Apôkalipsy antsika fa "ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny." - Apôk. 21:22.

Mazava loatra fa tsy monina ao anatin'ny tobin'ny Isiraely Isika, inona anefa ireo fomba ahafahantsika manatona akaiky an'Andriamanitra, amin'izao fiainantsika izao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal