Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 6:6-8; Gen. 3:21-24; Ezek. 1:4-14; Apôk. 4:1-11; Nom. 2:3-25; Isa. 14:12-14.
Tsianjery:
"Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8
Miorina eo amin'ny toerana maha-Mpahary ny zavatra rehetra an' Andriamanitra sy eo amin'ny Toetrany ny zony hanapaka an'izao rehetra izao (Apôk. 4:11). Rehefa tonga amin'ny fahafantarana ny toetra marin'Andriamanitra isika vao manomboka mahatakatra ny fomba sy ny antony tsy hahatraran'ny olombelona mpanota ny voninahitr'Andriamanitra (Rôm. 3:23).
Hijery bebe kokoa mikasika ny fahitana momba ny seza fiandrianan' Andriamanitra isika amin'ity herinandro ity; hodinihintsika koa ny fomba ifandraisan'ny olombelona amin'ilay Andriamanitra masina sy ny fomba amerenan'ny sorona nataon'i Kristy antsika amin'ny laoniny sy ampanakaikezany antsika amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Drafitr'Andriamanitra ny hamerina antsika amin'ny laoniny, tsy ny tsirairay avy amintsika fotsiny fa isika taranak'olombelona manontolo, mba hanehoantsika indray ny Voninahiny amin'ny voary rehetra. Amin'ny fandalinana ny Baiboly ihany no hahitantsika ireo teboka manan-danja izay manampy antsika hahatakatra sy hanomboka hankamamy ny fiantsoana ambony niantsoan'Andriamanitra antsika, taranaka mpanota voavela heloka sy voavotra.
Hofaranana ary tsy hisy intsony mandrakizay ny fikomian'ny olombelona. Ary mihoatra noho izany, dia hamirapiratra bebe kokoa noho ny famirapiratany araka ny fikasany ho an'ny olombelona tany am-piandohana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana sy ny fandavan-tenany ary ny fahafoizan-tenany. Na dia tsy tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra aza ny hahalavo ny olombelona, dia nasongadina tamin'ny fomba miavaka tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana.
*Famerenana ny lesona ny sabata 17 Mey.